Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 2:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Tahaka ny lehilahy mahery ny fihazakazahany ary tahaka ny miaramila mpiady ny fianihany manda. Samy mandeha amin’izay hitsiny izy, fa tsy mivilivily lalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin’izay hitsiny avy ka tsy vaky laharana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Tahaka ny lehilahy mahery ny fihazakazahany ary tahaka ny miaramila mpiady ny fianihany manda. Samy mandeha amin’izay hitsiny izy, fa tsy mivilivily lalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Mihazakazaka hoatra ny olo-mahery izy ireo, mananika ny manda, toy ny lehilahy mpiady, samy mandeha amin’ny lalany avy; fa tsy mifanjevo amin’ny lalana alehany akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy Ary mananika ny mànda tahaka ny mpiady, Samy mandroso amin’izay hitsiny ka tsy vaky laharana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 2:7
11 Rohy Ifampitohizana  

I Saoly sy i Jônatàna dia nifankatia tokoa fahavelony, ary tsy nosarahina na dia tamin’ny nahafatesany aza; mailaka noho ny voromahery izy mianaka ary mahery fo mihoatra noho ny liona.


Tamin’izay andro izay dia hoy i Davida hoe: «Raha misy te hamely ny Jebôsita, dia aoka izy hihazo ny lakan-drano!» Ny amin’ny mandringa sy jamba dia nankahalain’i Davida ireo, ka nahatonga ny fitenenana hoe: «Tsy mahazo miditra ny Tranon’ny Tompo ny jamba sy ny mandringa».


Tamin’i Dana, dia nisy 28 600 lahy, vonon-kiantafika.


Ratra miampy ratra no afitsony ahy ary toy ny mpiady mahery no iantsampazany amiko.


nefa ny rindrany miharihary eran-tany, ny hafany tonga any am-paran’izao tontolo izao. Nanorenan’Andriamanitra tranolay teny ana habakabaka ny masoandro.


ny valala, izay tsy mana-mpanjaka, nefa hain’izy rehetra ny miainga manao andiany;


Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny.


Tsy mba mifanosika izy, fa mandroso amin’ny lalany avy. Sahy misedra izay asehatra azy izy, fa tsy voasakan’izany.


Mamakivaky ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ny manda; mianika ny trano izy ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra