Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 7:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, indro avy ny andro izay tsy hilazana intsony hoe «Tôfeta» na «Lohasahan’i Hinôma» fa «Lohasaha Famonoana». Ao no handevenana ireo maty fa tsy misy toerana intsony any an-kafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hiantsoana azy intsony hoe Tofeta na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasahan’ny famonoana olona kosa; ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, indro avy ny andro izay tsy hilazana intsony hoe «Tôfeta» na «Lohasahan’i Hinôma» fa «Lohasaha Famonoana». Ao no handevenana ireo maty fa tsy misy toerana intsony any an-kafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Noho izany, indro tamy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay tsy hanaovana hoe Tofeta na lohasahan’ny zanak’i Hinôma intsony, fa hoe «Lohasaha famonoana» kosa, ary any Tofeta aza no handevenana, noho ny hateren’ny tany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, Na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, Fa Lohasaha Famonoana kosa; Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ny tany

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hiantsoana azy intsony hoe Tofeta na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasahan’ny famonoana olona kosa; ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 7:32
10 Rohy Ifampitohizana  

Nozimbain’i Jôsià koa ny Tôfeta tao amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma mba tsy handoran’ny olona intsony ny zanany lahy na vavy ho sorona ho an’i Môlôka.


ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanàna ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony.› «Ary ny amin’i Tôfeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.


Ny trano eto Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Joda dia ho tonga maloto tahaka ny toerana ao Tôfeta; eny, izany no hanjo ireo trano rehetra izay nandoroana vovo-javamanitra mifangaro teo an-tampony ho an’ireo andian-kintana eny an-danitra sady nandrarahana fanatitra divay ho an’ny andriamani-kafa.»


Avy eo dia mivoaha mankany amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma, izay eo anoloan’ny vavahadin’ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,


«Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro izay tsy hiantsoana ity toerana ity intsony hoe Tôfeta na lohasahan’i Bena-Hinôma, fa hatao hoe lohasaha Famonoana.


Dia mihazo ny lohasaham-paty aman-davenona manontolo sy ny faritra midadasika rehetra hatrany amin’ny ranon-driakan’i Kidrôna, ary tafapaka eo amin’ny zoron’ny vavahadin’ny soavaly any atsinanana. Ireo tany rehetra ireo dia hatokana ho Ahy TOMPO ka tsy hisy hanesorana na horavana intsony na oviana na oviana.»


Nanorina toeram-panasinana atao hoe Tôfeta tao amin’ny lohasahan’i Hinôma izy mba handoroany ho sorona ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany, sady tsy mba tonga tao am-poko velively.


Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo ianareo.


Haharikoriko Ahy ianareo, ka horavako ny toerana anajànareo sampy, hazerako ny tsangambato anompoanareo ny masoandro, ary ny fatinareo hampifanongoaviko eo ambonin’ny sampy rava.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra