Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia anisan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, no hitrosenany amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany, koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy; amin’ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia anisan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, no hitrosenany amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Homenàriny izy, fa nanao fahavetavetana; nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! Koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy, hoy i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana,– Nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin’izay lavo izy,– Amin’ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany, koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy; amin’ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:15
29 Rohy Ifampitohizana  

Nony ampitso dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Indro efa nandry tamin’ny raiko aho halina! Andeha hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia tongava ianao handry aminy, dia hamelona taranaka avy amin’ny raintsika isika.


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Izay mafy hatoka tsy laitra anarina dia ho montsana tampoka tsy hisy fanafana.


Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.


Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany.


TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.


Noho izany, dia hanjary malama ny lalany. Hifandona anaty haizina izy ka hianjera, fa hataoko tonga aminy ny loza amin’ny taona hirotsahako hamely azy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be sady tsy nisy koa ny oran-dohataona. Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.


Mandraka androany dia tsy mbola nisy na iray aza nanenina na nanaja Ahy ka nanaraka ny lalànako sy ny fitsipiko izay nomeko anareo sy ny razanareo.› »


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.


Mahazo henatra ny hendry ary ketraka satria voafandrika; nanamavo ny tenin’ny TOMPO izy ka inona indray no mahahendry azy?


Horavako ny rindrina izay nolalorinareo fotaka ka hazerako amin’ny tany, dia hiseho mbamin’ny fototra. Hirodana izy ka ho tototra ao ambaniny ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.


Ireo olona mafy loha sy be kirina ireo no anirahako anao, ka hitenenanao hoe: Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY.


Eny, mbola ao an-tanàna ny ra izay nalatsany; teo ambony vato mangadihady no nandrarahany azy, fa tsy naidiny teo amin’ny tany kosa mba ho voatototry ny vovoka.


Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa amin’ny alina dia hiara-tafintohina aminao; hataoko ringana i Israely reninao.


Tonga ny andro famaizana. Tonga ny andro famaliana. Ho fantatr’i Israely anie izany! Hoy ianareo hoe: «Adala ny mpaminany; ary mirediredy ny tsindriam-panahy.» Vokatry ny hamaroan’ny helokao sy ny fanohera-mafy nataonao izany.


Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka. Foana koa ny fanambaràna ny ho avy fa ny haizina no hanarona anareo. Hilentika aminareo ny masoandro, ka ho maizina aminareo ny andro!»


Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo.


Mandiniha ka mieritrereta, ry vahoaka lany henatra,


Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana no eo afovoan’ny tanàna; ka tsy manao faharatsiana Izy, fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany. Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!


Amin’izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin’ny fitafiana akanjo volom-biby,


Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra