Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy nisy fiadanana akory!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana! Kanjo tsy misy fiadanana akory!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy nisy fiadanana akory!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, lazainy hoe: «Fiadanana! Fiadanana!» nefa tsy misy fiadanana tsinona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy Tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:14
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia haveriko ho atỳ aminao ny vahoaka rehetra; satria miankina amin’ny fahazoana io lehilahy tadiavinao io ny hiverenan’ny besinimaro aminao ka hiadanan’ny vahoaka rehetra.


Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.


Hoy izy amin’ireo mpahita hoe: «Aza manam-pahitana ianareo»; ary amin’ireo mpaminany hoe: «Aza maminany zava-marina aminay, fa izay mahafaly anay ihany no lazao. Maminania nofinofy aminay.


Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy, ny fahazavàn’ny volana dia ho tahaka ny an’ny masoandro, ary ny fahazavàn’ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro.


Fa namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: «Tsy hiharan’ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin’ity toerana ity.»


Izao kosa no teny holazainao aminy: Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman’alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.


Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: ‹Hisy fiadanana ho anareo›. Mikiribiby amin’ny ditram-pony dia anambaràny hoe: ‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›


Ka alohan’ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain’i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilôna.


Dia hiteny ireny hoe: «Andray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, namitaka ity vahoaka ity sy namitaka an’i Jerosalema Ianao tamin’ny fampanantenana hoe fa hisy fiadanana ho antsika kanjo mihatra aman’aina ity ny sabatra!»


Nandà ny Tompo ny vahoakan’i Joda, ka nilaza hoe: «Tsy misy ny TOMPO; tsy hahatratra antsika ny loza sady tsy hahita ady na mosary isika.»


Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.


«Mamitaka ny vahoakako ny mpaminany amin’ny filazana fa fiadanana no manjaka nefa tsy misy fiadanana akory. Manangana rindrina ny vahoakako fa ireo kosa mandalotra azy amin’ny fotaka.


dia ireo mpaminany israelita izay maminany ny hoavin’i Jerosalema sy manam-pahitana manambara fiadanana ho azy nefa tsy misy fiadanana akory. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »


Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin’ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.


«Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia Izaho TOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin’i Israely vahoakako.


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.


Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.


Nisy mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka Israely; toy izany koa no hisian’ny mpampianatra sandoka eo aminareo: hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery izy ireo sady handà ny Tompo Izay nanavotra azy, ka hitarika fahaverezana tampoka ho an’ny tenany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra