Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan’i Babilôna. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Manangàna faneva hamelezana ny eo akaikin’ny mandan’i Babilona; ataovy mafy ny fiambenana; alatsaho ny mpiambina, alamino ny vela-pandrika; fa NY TOMPO sady efa nisaina no nanatanteraka izay nolazainy ny amin’ny mponina any Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan’i Babilôna. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Manangàna faneva hamely ny mandan’i Babilôna, ataovy mafy ny fahirano; alatsaho ny mpiambina; manaova otrika! Fa nanao hevitra i Iaveh, ka dia manatanteraka izay voalazany hamelezany ny mponina ao Babela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Manangàna faneva eo akaikin’ny màndan’i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka Izay nolazainy ny amin’ny mponina any Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Manangàna faneva eo akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Manangàna faneva hamelezana ny eo akaikin’ny mandan’i Babilona; ataovy mafy ny fiambenana; alatsaho ny mpiambina, alamino ny vela-pandrika; fa NY TOMPO sady efa nisaina no nanatanteraka izay nolazainy ny amin’ny mponina any Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:12
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.


Hanangana faneva ny Tompo mba hahafantaran’ny hafa firenena fa hamory ireo sesitany tamin’i Israely Izy ary hanangona ireo niely patrana tamin’i Joda avy any amin’ny vazan-tany efatra.


Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena.


Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.


Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»


Ambarao amin’ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilôna, henatra moa izao ho an’ny sampiny ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an’i Bela, ary haketrahana ho an’i Merôdàky.


Novohan’ny TOMPO ny trano fitehirizany, ka nalainy tao ireo fiadiana izay anehoany ny fahavinirany. Ao amin’ny tanin’i Babilôna dia izany no asan’ny Tompo, ilay ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.


Atsangano ny fanevam-panairana eo amin’ny tany, tsofy any amin’ny firenen-kafa ny anjomara; entano ny firenena rehetra hamely an’i Babilôna, antsoy hamely azy ny fanjakana any Ararata sy Menỳ ary Askenaza. Manendre mpifehy hamory miaramila; soavaly marobe no alefaso hanafika toy ny valala manao andiany.


Mihorohoro sy mihovitrovitra ny tany fa tanteraka amin’i Babilôna ny fikasan’ny TOMPO hamelezana azy mba hahatonga an’i Babilônia ho tany mahonena tsy misy mponina intsony.


Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.


Na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.


Ry vahoakan’i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana. Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo! Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana, satria efa fongotra tanteraka izy.


Raha nahita izany ny mpanjakan’i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna; ary nivoaka faingana hifanehatra amin’ny Israelita izy mbamin’ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin’ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin’ny lohasahan’i Jôrdàna; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon’ny tanàna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra