Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; NY TOMPO efa nanaitra ny fanahin’ny mpanjakan’ny Mediana; fa ny hamely an’i Babilona no nosaininy mba handringanana azy; famalian’NY TOMPO izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampìnga; Jehovah efa nampirisika ny fanahin’ny mpanjakan’ny Mediana; Fa ny hamely an’i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’i Jehovah izany, Eny, famaliana noho ny tempoliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:11
39 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanangana olona iray hanohitra an’i Salômôna ny TOMPO, dia i Hadada izay Edômita taranaky ny mpanjakan’i Edôma.


Ary nanangana olon-kafa koa Andriamanitra mba hanohitra an’i Salômôna, dia i Rezôna izay zanakalahin’i Eliadà sady efa nandositra an’i Hadadehezera tompony, mpanjakan’i Tsôbà.


Dia nampirisihin’ilay Andriamanitr’i Israely i Pola sy i Tiglato-Pilesera samy mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Reobenita sy ny Gadîta ary ny antsasaky ny fokon’i Manase sady nentiny tany Halà sy Habôra sy Harà ary tany amoron’ny ony Gôzàna, ka mbola any ireo mandraka androany.


Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa, amperôran’i Persia, no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO, ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakàny manontolo ireto hafatra ireto:


Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa amperôran’i Persia no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:


Harangarangan’ny TOMPOn’izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an’i Asiria tahaka izay nataony tamin’ny famelezana ny Midianita teo amin’ny harambaton’i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.


–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»


Naroso ny sakafo, navelatra ny lambanana, dia nihinana sy nisotro ny olona. Kanjo vetivety teo nisy niantso hoe: «Mitsangàna, ry mpitari-tafika, hosory menaka ny ampinga!»


Avy any avaratra no napoitrako ity lehilahy anankiray, ka dia tonga tokoa izy; avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hanononana ny anarany. Dia hanosihosy ny mpitondra toy ny fanosy fotaka izy, na toy ny fanaon’ny mpanefy mihosihosy tanimanga.


Izao no lazain’ny TOMPO amin’ilay nohosorany, dia i Kirôsa: «Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa sy hanaisotra ny fahefàn’ny mpanjaka ka hivoha eo anatrehanao ireo vavahadin’ny tanàna nihidy.


Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikiniko hery ianao hiasa na dia tsy mahalala Ahy akory aza,


Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasàko. Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.


–ireo mpanjaka rehetra any Zimrỳ sy any Helama ary any Media;


Manome baiko ny manamboninahitra hoe: «Omany ny ampinga kely sy lehibe ary mandrosoa hiady.


Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra.»


Manafiha amin’izay, ry soavaly, ary miriota mafy, ry kalesy! Aoka hiainga ny mahery fo, dia ireo olon’i Kosy sy Pota izay mpitondra ampinga kely sy ireo olon’i Loda izay mirongo tsipîka!»


Novohan’ny TOMPO ny trano fitehirizany, ka nalainy tao ireo fiadiana izay anehoany ny fahavinirany. Ao amin’ny tanin’i Babilôna dia izany no asan’ny Tompo, ilay ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Fa misy firenena iray avy any avaratra miakatra hamely an’i Babilôna, ka hanova ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; fa na olona na biby fiompy dia samy lasa nitsoaka avokoa.


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Fa firenena lehibe manao andiany no hotairiko sy halefako hanafika an’i Babilôna. Ho tonga avy any avaratra ireny ka hilahatra hiady aminy sy hahazo azy. Tsy hivena mihitsy ny zana-tsipîkany fa ho toy ny miaramila zatra ady ka tsy hiverim-potsiny.


Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan’i Babilôna. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin’i Babilôna.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: Ho hitanareo kosa izao fa hatsingeriko amin’i Babilôna sy ny mponina rehetra any Babilônia ny ratsy rehetra nataony tamin’i Tsiôna.


Aoka ny mponin’i Tsiôna hiteny hoe: Hanody an’i Babilôna anie ny herisetra nataony tamiko! Aoka i Jerosalema hiteny hoe: Hanody azy anie ny heloka nataony tamin’ny nandatsahany ny rako!»


Izao àry no lazain’ny TOMPO amin’i Jerosalema: «Horaisiko an-tanana ny momba anao ka Izaho no hamalifaty anao: hataoko maina ny oniny ary horitiko ny loharanony.


Tamin’io alina io ihany dia novonoina ho faty i Belsatsara mpanjakan’i Babilôna.


Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.


Ary izao no aretim-be hamelezan’ny Tompo ny firenen-drehetra izay niady tamin’i Jerosalema: ho simba nofo dieny mbola velona ny olona, ho levona ho azy ao amin’ny fitoerany ny masony, ho tahaka izany koa ny lela ao am-bavany.


Ary hangonin’ny Tompo ny firenen-drehetra hamely an’i Jerosalema; dia azon’ireo ny tanàna, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra