Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Naneho fanafahana antsika ny TOMPO. Andao hotantaraintsika any Tsiôna izay nataon’ny TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nasehon’NY TOMPO ny fahamarinantsika; andeha ka aoka hambarantsika ao Ziona ny asan’NY TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Naneho fanafahana antsika ny TOMPO. Andao hotantaraintsika any Tsiôna izay nataon’ny TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Nahariharin’i Iaveh ny mahamarina ny antsika, ka andeha isika dia hitantara, any Siôna, ny asan’i Iaveh Andriamanitsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Nasehon’i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’i Jehovah Andriamanitsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Nasehon'i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah Andriamanitsika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Nasehon’NY TOMPO ny fahamarinantsika; andeha ka aoka hambarantsika ao Ziona ny asan’NY TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Tsy ho faty aho fa ho velona mba hitanisa ny asan’ny TOMPO.


Ny rariny anananao hasehony ho toy ny mazavatsinanana; ny zo tandrify anao haharihariny ho tahaka ny mitataovovonana.


Ny tenin’ireo ihany no mifotitra aminy; izay rehetra mahita azy, dia mihifi-doha.


Ianareo mpanaja an’Andriamanitra, tongava daholo mba hihaino fa hotantaraiko izay nataony tamiko.


Iantrao aho, TOMPO ô, ka jereo ny fahoriako, noho ny afitsoky ny mpankahala ahy; Ianao no misintona ahy ho afaka amin’ny hasomparan’ny fahafatesana.


Izay sisa velona no manandratra ny feony ka mihoby ny fahalehibiazan’ny TOMPO; avy any andrefana any izy ireo no manao horakora-pifaliana hoe:


Omeo toky i Jerosalema ka antsoantsoy aminy fa tapitra ny asa an-terivozona sady vita ny sazy nahatra taminy; ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’ny TOMPO izy ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»


Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-dohany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!


Injany ireo mpandositra afa-nitsoaka avy any Babilônia mitondra ny vaovao ao Tsiôna: namaly faty an’i Babilôna ny TOMPO Andriamanitsika, namaly faty azy noho ny tempoliny masina Izy.


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra