Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 48:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao no nianteheranao, ry Môaba. Kanjo hay voa koa ianao ity! Indray lasan-ko babo i Kemôsy andriamanitrao sy ny mpisorony ary koa ireo mpitondra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny harenanao dia ho voasambotra koa ianao; ary i Kemosy dia ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka azy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao no nianteheranao, ry Môaba. Kanjo hay voa koa ianao ity! Indray lasan-ko babo i Kemôsy andriamanitrao sy ny mpisorony ary koa ireo mpitondra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny rakitrao Dia ho voasambotra koa hianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, Dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny harenanao dia ho voasambotra koa ianao; ary i Kemosy dia ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka azy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:7
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary nilaozan’ny Filistinina teo ny sampiny, ka nalain’i Davida sy ny olony.


Hataoko izany satria efa nandao Ahy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Hastôreta andriamani-bavin’ny Tsidônianina, sy teo anatrehan’i Kemôsy andriamanitry ny Môabita, ary teo anatrehan’i Milkôma andriamanitry ny Hamônita; fa tsy mba ny sori-dalako no nizorany hanaovana izay mahitsy eo imasoko ary hitandremana ny lalàna amam-pitsipiko tahaka ny nataon’i Davida rain’i Salômôna.


Tamin’izany i Salômôna dia nanangana toeram-panasinana teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema mba ho an’i Kemôsy andriamani-tsampin’ny Môabita ary koa mba ho an’i Milkôma andriamani-tsampin’ny Hamônita.


Nasiany hira vaovao teo am-bavako, dia hira fiderana an’Andriamanitsika! Maro tokoa no hahita izany, ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.


Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin’ity tany ivelomantsika ity. Fiatoana


Ry Jerosalema, izao no voatendry ho anao, dia ilay anjara nomaniko ho anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nifikitra tamin’ireo andriamani-tsiizy:


Hodorany amin’ny afo ny tempolin’ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na hoentiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan’ny mpiandry ondry ny haofotsy amin’ny fitafiany no hitsimponany an’i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.


Ho diso fanantenana i Môaba amin’i Kemôsy andriamaniny tahaka ny nahadiso fanantenana an’i Israely avaratra tamin’ny andriamanitr’i Betela izay nianteherany.


Loza ity mahazo anao, ry Môaba! Very ianareo, ry vahoakan’i Kemôsy, satria samy nentina ho babo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy.


Ry olon’i Hesbôna, manaova hira fitomaniana hoe: «Rava ny tanàna Hay!» Manaova antso vonjy ianareo, ry tanàna miankina amin’i Rabà. Mitafia gony ho fisaonana ary manaova hira fitomaniana sady miveziveze etsy sy eroa ao anaty fefy, fa lasan-ko babo ny andriamanitra Milkôma mbamin’ny mpisorony sy ireo filoham-bahoakany.


Adray, ry Rabà, zazavavy mpikomy! Ahoana no ireharehanao amin’ny lohasahanao, dia ireo lohasahanao mahavokatra be, sy itokianao amin’ireo tahirinao hoe: «Iza moa no ho sahy hanafika ahy?»


Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.


Loza no nihatra taminao, ry Môaba! Ringana ianao, ry firenena izay mpivavaka tamin’i Kemôsy! Na ny lehilahy izay nikasa handositra na ny vehivavy dia samy nafoin’i Kemôsy ho babon’i Sihôna, mpanjakan’ny Amorita.


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


toraka izay nitiavany voninahitra sy filibana no anomezo azy fanaintainana sy fisaonana. Fa izao no lazain’io tanàna io anakampony: ‹Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!›


Moa tsy tananao ho fanananao ve ny faritany izay nomen’i Kemôsy andriamanitrao anao? Noho izany, dia zonay koa ny hitana ho fanananay izay tany rehetra nomen’ny TOMPO Andriamanitray anay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra