Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 28:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Avy eo dia hoy i Hananià teo imason’ny vahoaka rehetra teo: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Alohan’ny roa taona androany, dia hopotehiko tahaka izao ny ziogam-pamoretana angejan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny firenena rehetra.› » Dia lasa nandeha tamin’ny diany i Jeremià mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary niteny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho afaka amin’ny vozon’ny firenena rehetra ao anatin’ny roa taona. Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Avy eo dia hoy i Hananià teo imason’ny vahoaka rehetra teo: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Alohan’ny roa taona androany, dia hopotehiko tahaka izao ny ziogam-pamoretana angejan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny firenena rehetra.› » Dia lasa nandeha tamin’ny diany i Jeremià mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Sady hoy i Hananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: «Izao no lazain’i Iaveh: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra raha afaka roa taona.» Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Hanania niteny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Tahaka izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara, mpanjakan’ Babylona, ho afaka amin’ny vozon’ny firenena rehetra ao anatin’ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Hanania niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary niteny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho afaka amin’ny vozon’ny firenena rehetra ao anatin’ny roa taona. Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 28:11
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: –Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe: «Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano.» Kanjo nandainga taminy izy.


Ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanàna.


Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»


Halaviro ny olona adala, fa tsy hahitanao teny fahalalana.


Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Mandainga ireo mpaminany niteny tamin’ny anarako ireo, fa tsy naniraka na nandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.


Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: ‹Hisy fiadanana ho anareo›. Mikiribiby amin’ny ditram-pony dia anambaràny hoe: ‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›


Avy eo dia hoy koa i Jeremià tamin’i Hananià mpaminany: –Henoy tsara aho, ry Hananià: Tsy naniraka anao ny TOMPO, fa ianao no nanosika ity vahoaka ity hiantehitra amin’ny lainga.


Fa mihambo ho maminany amin’ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›


Moa tsy fahitana manodoka ve ny anareo, hoy Aho? Moa tsy fanambaràna mamitaka ve no ataonareo? Mihambo hilaza teny hentitra avy amin’ny TOMPO ianareo, kanefa Izaho tsy niteny taminareo akory!›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra