Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 28:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia nesorin’i Hananià mpaminany ny zioga teo an-tsorok’i Jeremià mpaminany, ka nopotehiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia nesorin’i Hananià mpaminany ny zioga teo an-tsorok’i Jeremià mpaminany, ka nopotehiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Tamin’izay, nalain’i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany, ka notapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 28:10
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»


«Izao no voalazan’ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.


–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo.


Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».


Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?


Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.


Hoy ny TOMPO hoe: «Mafy loatra ny teny amelezanareo Ahy; nefa manontany ianareo hoe: ‹Inona no resaka nifanaovanay hamelezana Anao?›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra