Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 57:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin’izany. Eny, ny famelezan’ny mpisompatra no akàna an-keriny ny olo-marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Maty ny marina nefa tsy misy misaina izany; alevina ny olona tsara fanahy nefa tsy misy mihevitra, fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin’izany. Eny, ny famelezan’ny mpisompatra no akàna an-keriny ny olo-marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Lasa tsy hita intsony ny marina nefa tsy misy misaina ao am-pony; alaina ny olona tia vavaka, nefa tsy misy mihevitra akory fa noesorina ho afaka amin’ny loza ny marina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, Ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 57:1
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia hanaovan’ny vahoaka Israely rehetra fisaonana izy ka haleviny. Fa izy irery amin’ny taranak’i Jerôbohama rehetra no halevina am-pasana, satria izy irery ihany tamin’izany fianakaviana izany no mba nahitan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely zavatra tsara.


Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an’i Jerosalema.› » Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Hezekià, dia nalevina tao amin’ny faritra ambony eo amin’ny fasan’ireo taranak’i Davida; tamin’izay ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra dia samy nanome voninahitra azy. Ary i Manase zanakalahin’i Hezekià no nanjaka nandimby azy.


Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy mba hahita maso ny loza rehetra hamelezako ity tanàna ity sy ny mponiny.» Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.


Dia nesorin’ny manamboninahiny tamin’ny kalesy nisy azy i Jôsià ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa ary nentiny ho any Jerosalema. Dia maty izy, ka rehefa nalevina tao am-pasan-drazany, dia nisaonan’ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha torifolo. Salamo nataon’i Davida.


Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy, dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana no valiny omena ny olona toy izany.


Koa nazeran’ny TOMPO tamin’ny vahoaka Israely ny fahatezerany mirehitra sy ny ady mangotraka. Nandoro ny faritra manodidina an’i Israely izany, saingy tsy fantany velively; nandoro tao anatiny mihitsy aza izany, nefa tsy nahoany akory.


Koa indro hihatra aminao ny loza izay tsy hainao avily hidify anao; indro hiantonta aminao ny fahavoazana izay tsy azonao iarovan-tena; eny, hihatra tampoka aminao ny faharavana, dia faharavana izay tsy ampoizinao.


Nihambo haharitra mandrakizay ianao ka ho tompovavin’izao tontolo izao hatrany, fa tsy noeritreretinao akory izay niseho ary tsy noheverinao akory izay ho avy aoriana.


Fa iza no nahînao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatrỳ ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?


«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »


Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.


Asaivo mihaino ny tenin’ny TOMPO izy, satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: «Indro Aho handrehitra afo izay handevona ny hazonao rehetra na ireo mirobona maitso na ireo efa maina. Tsy hisy afaka hamono ny lelafo midedadeda fa hihanaka avy any atsimo ka hatrany avaratra izany, ka ho may avokoa ny tarehin’ny olona rehetra.


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Zovy no mahisa ny taranak’i Jakôba izay marobe tahaka ny vovotany na mahisa ny ampahefatry ny Israelita? Enga anie ny fahafatesako ho toy ny fahafatesan’ireo olo-marina ireo, ary enga anie ny fiafaràko ho toy ny fiafaràn’ny vahoaka israelita!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra