Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 4:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Koa izay sisa tafajanona tao Jerosalema na izay sisa velona tao Tsiôna dia hantsoina hoe «voatokana ho an’ny Tompo»: ireo rehetra ireo no voasoratry ny Tompo mba ho velona ao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Koa izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina, dia izay rehetra voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Koa izay sisa tafajanona tao Jerosalema na izay sisa velona tao Tsiôna dia hantsoina hoe «voatokana ho an’ny Tompo»: ireo rehetra ireo no voasoratry ny Tompo mba ho velona ao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Koa izay sisa any Ziona* sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina, dia izay rehetra voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 4:3
33 Rohy Ifampitohizana  

Ho voatahiry an-tsoratra avokoa anie ny heloka vitan’ireo fahavaloko, ka tsy hisy hoekenao ho marina izy!


Ny TOMPO manao lisitra ireo firenena ka manoratra ny isam-batan’olona hoe: «Ity dia teraka tao Tsiôna.» Fiatoana


Ho voavonjy i Tsiôna rehefa mitandro ny rariny; ary ho voavonjy ireo mponiny niala tamin’ny toe-dratsy rehefa mampihatra ny fahamarinana.


Amin’izany andro izany dia ny TOMPOn’izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon’ireo sisa velona amin’ny vahoakany.


Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe «lalana voatokana». Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an’ny vahoakany ihany.


Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak’i Jakôba, dia ianareo rehetra sisa velona amin’ny taranak’i Israely, ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka sy notrotroiko raha vao teraka.


Mifohaza ianao, ry Tsiôna ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.


Raha misy ampahafolon-tany tsy tratry ny loza aza, dia mbola hodorana amin’ny afo ihany koa izany; saingy ho tahaka ny hazo terebinta na ny ôaka izay mamela fototra ihany na voakapa aza. Kanefa avy amin’izany fototra tavela izany no hisian’ny taranaka masina indray.


Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.


Ny besinimaro, na ianareo na iretsy, dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina», «ireo olona navotan’ny TOMPO»; ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe: «ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»


«Ny heriko no hamely ny mpaminany izay milaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka. Tsy hanana anjara toerana ao amin’ny filankevitry ny vahoakako izy sady tsy ho voasoratra ao amin’ny lisitry ny vahoaka israelita ka tsy hiverina any amin’ny taniny. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.


Izao no foto-pitsipika momba ny tempoly: ny faritra manontolo eo an-tampon-tendrombohitra sy manodidina dia tena voatokana ho an’Andriamanitra. Eny, izany no foto-pitsipika momba ny tempoly.»


Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela, ka hanjary masina indray io toerana io; ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba ny tanin’ireo naka ny taniny.


Ary hangonin’ny Tompo ny firenen-drehetra hamely an’i Jerosalema; dia azon’ireo ny tanàna, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.


Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany.


Kanefa aza dia ianareo eken’ny fanahy ratsy no ifaliana; fa mifalia noho ianareo efa voasoratra anarana any an-danitra.


Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin’ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.


Inona kosa no avalin’Andriamanitra an’i Elià? «Efa nanokana fito arivo lahy ho Ahy Aho, dia ireo tsy nandohalika tamin’ny sampy Bahala.»


Toy izany koa àry amin’izao ankehitriny izao. Misy olom-bitsy sisa tavela, izay voafidy noho ny fahasoavan’Andriamanitra.


Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin’i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika,


Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan’ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin’i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Olomboafidin’Andriamanitra sy voatokany ho Azy ianareo sady efa notiaviny. Noho izany, aoka ianareo hitafy hatsaram-po sy fiantrana, hamoram-po sy fanetrentena, fahalemem-panahy sy fahari-po.


Iezaho ny hahatsara fihavanana amin’ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.


Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao no eo am-pelatanan’ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.


Ny biby izay hitanao dia nanan-kery taloha, fa tsy manana intsony izao, ary efa hiakatra avy any amin’ny hantsambe mba hizotra ho amin’ny fandringanana. Dia ho gaga ny mponina ambonin’ny tany raha mahita ilay biby: satria nanan-kery izy io taloha, fa tsy manana intsony izao, nefa mbola hanan-kery indray. Ho gaga ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; io horonamboky io dia nisy hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao.


ka raha nisy olona tsy hita voasoratra tao anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.


ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.


«Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan’ny Raiko sy ny *anjeliny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra