Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 22:8 - DIEM PROTESTANTA

8 ka tsy misy fiarovana ho an’i Joda intsony. Tamin’izany andro izany, dia nojerenareo ny fitaovam-piadiana napetraka hitoby tao amin’ilay trano antsoina hoe «Lapan’ny Ala»,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 ary alany ny fisalobonan’i Joda. Amin’izany andro izany dia mijery ny fiadiana ao amin’ny Tranon’ny Ala ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 ka tsy misy fiarovana ho an’i Joda intsony. Tamin’izany andro izany, dia nojerenareo ny fitaovam-piadiana napetraka hitoby tao amin’ilay trano antsoina hoe «Lapan’ny Ala»,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nalana tamin’i Jodà ny fisalobonany. Amin’izany andro izany dia manopy maso ianao, mankany amin’ny fitahirizam-piadiana ao an-dapan’ny ala,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia alana ny fisalobonan’i Joda, Ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala hianao amin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 ary alany ny fisalobonan’i Joda. Amin’izany andro izany dia mijery ny fiadiana ao amin’ny Tranon’ny Ala ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 22:8
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nampamboatra ampingakely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena iray kilao sy sasany avy no nilaina isan’ampinga. Ary napetraky ny mpanjaka tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano» ireo.


Naorina aloha ilay trano nantsoina hoe «Ny Alan’i Libano», izay nirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony. Io trano io dia naorina tambonin’ny andry efatra miandalana vita tamin’ny vatan-kazo sedera notaingenana rairainy sedera.


Ny vozonao dia toy ny tilikambon’i Davida, izay naorina hiendrika boribory; ampinga arivo no mihantona eo, dia ny ampingan’ireo maherifo.


Feno kalesy sy soavaly, ry Jerosalema, ny lohasahanao tsara indrindra; milahatra eo am-bavahadinao ireny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra