Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 2:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Noho izany, dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin’ny tany ny olombelona; ka tsy hisy hampiarina azy intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Koa hatao mitanondrika ny zanak’olombelona ary haetry ny olona; nefa aza mamela ny helony Ianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Noho izany, dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin’ny tany ny olombelona; ka tsy hisy hampiarina azy intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Noho izany, haetry ny olona, ary haiva ny olombelona: Eny, tsy hamela ny helony Ianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Koa ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry,– Ary aza mamela ny helony Hianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Koa hatao mitanondrika ny zanak’olombelona ary haetry ny olona; nefa aza mamela ny helony Ianao!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 2:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny fahavalonay kosa nihevitra fa tsy hahalala na hahita izahay, raha tsy tonga eo afovoanay izy ka mahafaty anay ary mampitsahatra ny asa.


Mandrenesa, ry olombelona rehetra; mihainoa, ry mponina eran-tany,


tsy misy hadisoana vitako velively, kanefa milomay izy mivonon-kijoko ahy.


–Matokia Azy lalandava, ry vahoakany, atosahy eo anoloany ny fiahianareo fa Izy Andriamanitra no fialofantsika. Fiatoana


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Noho izany dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin’ny tany ny olombelona; hitanondrika ny olona mpiandranandrana.


Hasandratra kosa ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ny fanaovany fitsarana ara-drariny. Hiseho koa ny maha Andriamanitra masina Azy amin’ny fanehoany ny fahamarinany.


Nivezivezy nankany amin’i Môlôka ianao ka nitondra diloilo sy zava-manitra betsaka; nandefa solotena hatrany lavitra any ianao, ka mova tsy hatrany amin’ny fonenan’ny maty no nampietrenao ny tenanao.


TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.


fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.


Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan’izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra.


Aoka tsy hisy olona hisakana anareo tsy hahazo ny amboara, ka hitaona anareo hanana fanetrentena haitraitra sy hivavaka amin’ny anjely. Manindrahindra ny fahitana azony ry zareo ka mieboebo tsy amin’antony, noho ny fisainany baikoin’ny maha olombelona azy.


Miseho ho fahendrena ireny didy sy fampianarana ireny satria hoe fivavahana vokatry ny finiavana ka ietren-tena manoloana ny anjely sy amolahana mafy ny vatana; kanefa tsy misy heriny akory hahasakana ny fanaranan’ny maha olona mpanota.


Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: –Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman’otanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra