Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 2:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Feno andriamani-tsiizy koa ny taniny; ary niankohoka amin’ny sampy natao tanana izy, dia ny zavatra nataon’ny tanan’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Feno andriamanitra tsy izy ny taniny; eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, dia eo anoloan’izay nataon’ny rantsantanany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Feno andriamani-tsiizy koa ny taniny; ary niankohoka amin’ny sampy natao tanana izy, dia ny zavatra nataon’ny tanan’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo, dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ny asan’ny tànany no iankohofany, Dia izay nataon’ny rantsan-tanany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Feno andriamanitra tsy izy ny taniny; eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, dia eo anoloan’izay nataon’ny rantsantanany;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 2:8
28 Rohy Ifampitohizana  

Ny nitenenan’ny TOMPO an’i Bahasà sy ny fianakaviany, tamin’ny alalan’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia noho ireto antony roa ireto: voalohany satria nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Bahasà sy ny fianakaviany, ka nampahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany sady tonga tahaka an’i Jerôbohama sy ny fianakaviany; ary faharoa satria naringan’i Bahasà ny taranak’i Jerôbohama.


Nananganany tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an’i Aserà teny an-tampon-kavoana nisy hazo midoroboka maitso rehetra teny;


Nafoiny avokoa ny didin’ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan’ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an’i Aserà ary niankohoka teo anatrehan’ny planeta aman-kintana sady nanompo an’i Bahala.


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôtama, tahaka izay nataon’i Hozià rainy, kanefa tsy mba niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO. Saingy mbola niharatsy toetra ihany ny vahoaka.


Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Ry TOMPO Andriamanitray ô, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.


ary nodorany tamin’ny afo sy nosimbany aza ny andriamanitr’ireny firenena ireny satria tsy tena Andriamanitra ireo fa zavatra nataon-tanan’olona, eny, vato aman-kazo ihany.


Raha ny sampy no tenenina dia mpanao taozavatra no nandrendrika azy, mpanefy firavaka no nandrakotra azy takela-bolamena ary nandrenty azy rojo volafotsy.


Tsinontsinona ny andriamani-tsiizy rehetra, zava-poana ny zavatra ataony, tsio-drivotra miserana ny sampiny sady zavatra tsy misy fotony!


Maimay erỳ ianareo teny akaikin’ny hazo terebinta sy ny hazo rehetra matevin-dravina. Nanao sorona zaza ianareo teny amoron’ny lohasahan-driaka sy teny an-tsefatsefaky ny harambato.


Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin’ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an’ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.


Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.


Ankehitriny mikiribiby manota izy, ka mandrendrika volafotsy hanaovana sarivongan-tsampy araka ny hakingany mamorona azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny kanefa dia lazainy hoe: «Anolory sorona izy!» Olombelona no mitsaoka ombilahikely!


Miverena amin’ny TOMPO ka milazà aminy hoe: «Avelao avokoa ny helokay; ary ho solon’ny vantotr’ombilahy fanolotray dia raiso tsara ireto teninay ireto:


Fa avy tamin’i Israely io ombilahikely io, mpahay taozavatra no namboatra azy, ka dia tsy Andriamanitra izy; eny, ho montsamontsana ilay ombilahikelin’i Samaria.


Hofoanako tsy ho eo afovoanareo intsony ny sampinareo sy ny tsangambaton-tsampinareo, ka tsy hiankohoka amin’ny zavatra izay nataon’ny tananareo intsony ianareo.


Raha mbola niandry an’i Silasy sy i Timôty tao Atena i Paoly, dia niontana ny fony tamin’izy nahita ity tanàna feno sampy.


Asan-tanan’olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mihinana na manimbolo.


Kanefa ny olombelona, sisa tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy niova toetra hiala tamin’ireo andriamanitra voatran’ny tanany, ka tsy nitsaha-nivavaka tamin’ny demony sy tamin’ny sampy volamena sy volafotsy sy halimo ary vato aman-kazo, sampy izay tsy afaka mijery na mandre na mamindra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra