Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 2:21 - DIEM PROTESTANTA

21 dia hiditra amin’ny hirika sy ny tsefatsefa-bato izy mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra azy sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra ny Tompo hampihorohoro ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 hiditra amin’ny triatra amin’ny vatolampy sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy, noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 dia hiditra amin’ny hirika sy ny tsefatsefa-bato izy mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra azy sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra ny Tompo hampihorohoro ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Mba hidirany eo amin’ny fitriatry ny vatolampy Sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 hiditra amin’ny triatra amin’ny vatolampy sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy, noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 2:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Mikoy ry zareo ka mangovitra no miala ny manda fiarovany.


ka mitady fialofana eny an-tehezan-tevana, any an-dava-johy na any an-dava-bato.


Mampihorohoro ny tany Izy ka mihozongozona ny andriny.


Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko.


E ry voromahailalako mitoetra eny an-tsefatsefa-bato sy miery eny amin’ny hantsana, mba asehoy ahy ny endrikao ary ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao ary soa ny endrikao.»


Miafena any ambany vatolampy ianareo ary misitriha any anaty tany, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.


Aoka hiditra any amin’ny lava-bato sy ny zohy fierena ireo olona ireo, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra Izy mba hampihorohoro ny tany.


Koa izay mandositra ny kiakiaka vokatry ny fampihorohoroana, dia ho latsaka ao anatin’ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa dia ho voan’ny fandrika harato. Misokatra ny hidin-drano any ambony, ka mihozongozona ny fanorenan’ny tany.


«Ankehitriny, hoy ny TOMPO, no hirotsaka an-tsehatra Aho; ankehitriny no hitraka Aho ary haneho ny fahalehibiazako.


Dia indray ho avy ireny ka hipetraka eny an-tevana kisolasola sy eny an-tsefatsefa-bato ary koa eny amin’ny kirihitra rehetra eny sy eny amin’ny toerana rehetra fampisotroam-biby.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.


Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra