Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 16:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Koa izany no hitomaniako ny voalobok’i Sibma, toy ny fitomanian’i Jazera, handena anao amin’ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale, satria eo amin’ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao dia tsy misy ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho, momba ny voalobok’i Sabamà; mandrotsaka ranomaso aminareo aho ry Hesebona, ry Eleale, fa ny vokatrareo amam-pararanonareo, no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Koa izany no hitomaniako ny voalobok’i Sibma, Toy ny fitomanian’ i Jazera, Handena anao amin’ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; Fa mihatra amin’ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny kibay namelezan’ny mpampiasa azy dia samy hopotehinao avokoa toy ny tamin’ny andro nampandosiranao ny Midianita.


Hipetraka eto Mitsepà aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Babilônianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangòna divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin’izay tanàna hidiranareo.»


Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin’ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, any amin’ny tanin’i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.


Manaratra loha sady mitafy gony noho ny aminao izy, ka mitomany anao fa mangidy ny manjo ary mangidy ny fisaonany.


«Ry ilay taranak’olombelona, mitolokia ny amin’ny vahoaka maroben’i Ejipta. Izany no ampidino azy miaraka amin’ireo mponin’ny firenen-kafa ho any ambanin’ny tany, izay toerana fidinan’ny maty.


Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin’ny tempolin’ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an’i Abimelèka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra