Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 16:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin’ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin’ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin’ny toeram-pamiazam-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tsy ahitana ny hafaliana sy ny haravoravoana any amin’ny sahan-kazo fihinam-boa; tsy misy hoby na horakoraka ao amin’ny tanim-boaloboka! Tsy hanosihosy divay ao amin’ny famiazana intsony ny mpanosihosy; efa natsahatro ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin’ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin’ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin’ny toeram-pamiazam-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Foana ny fifaliana amam-piravoravoana eo amin’ny sahan-kazo mamoa, tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony eo amin’ny tanimboaloboka; ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay eo amin’ny famiazana intsony; efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ny saha mahavokatra, Ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ny tanimboaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ny fararano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Ao anaty sahan’ny olon-dratsy izy no manery ôliva hahazoan-menaka sady manosihosy koa ny famiazam-boaloboka saingy tsy afa-misotro divay hialan-ketaheta.


Mitaraina ny olona eny an-dalam-be fa tsy misy intsony ny divay; nanjavona ny firavoravoana rehetra ary tsy nisy fifaliana intsony teo amin’ny tany.


Afaka herintaona mahery kely eo, dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.


Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny an-tanimboaloboka sy teny an-tsahan’i Môaba. Tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ary noritiko ny divay tao anaty barîka; foana hatreo ny akoram-pifaliana.


Ry mponina amin’ny tanin’i Israely, mby akaiky ny faharavana hanjo anareo, tonga ny fotoana, antomotra ny andro fitsarana. Sahotaka no hisolo ny horakora-pifaliana eny an-tendrombohitra.


Maina ny voaloboka, malazo ny aviavimbazaha; toraka izany koa ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha. Nihalefy ny fifaliana teo anivon’ny olombelona.


Nohosihosenareo ny malahelo ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy. Noho izany, dia tsy hitoetra amin’ny trano vato voapaika nataonareo ianareo, ary tsy hisotro ny divay avy amin’ny voaloboka tsara nambolenareo.


Any amin’ny tanimboaloboka rehetra dia hisy tomanim-pisaonana, satria handalo ao aminareo Aho. Izaho TOMPO no miteny.»


Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Indro avy ny andro izay hahavokatra ny vary ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana, sy hahavokatra ny voaloboka ka efa hafafy ny voambary vao vita ny fihosemboaloboka. Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra.


Koa dia hobaboina ny hareny ary horavana ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.


Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin’ny tempolin’ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an’i Abimelèka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra