Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 16:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin’i Môaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-Heresa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Noho izany dia mitaraina manao feon-dokanga ny ato anatiko noho ny amin’i Moaba ary malahelo ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin’i Môaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-Heresa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Koa mipararetra hoatra ny harpa ny tsinaiko, noho ny amin’i Moaba; sy ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin’i Moaba, Ary ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-haresa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Mitaraina ny foko noho ny amin’i Môaba: tonga hatrany Tsôhara sy Heglata-Selisià ny mpandositra. Mitomany ny olona mianika ny fiakaran’i Lohita ary midradradradra mamoy fo eny an-dalana ho any Hôrônaima.


Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.


Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô; avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao, tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!


I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Noho izany dia hanao fitarainana noho ny amin’i Môaba aho, ka hiantso vonjy ho an’ny fireneny manontolo ary hitoloko noho ny amin’ny mponin’i Kira-Heresa.


Izany no hanaovan’ny foko toloko ho an’i Môaba sy ny olon’i Kira-Heresa, dia toloko miendrika feon-tsodina, satria very ny harena azony.


TOMPO ô, jereo fa azom-pahoriana aho, ka mandevilevy fiontanana. Mihendratrendratra ato anatiko ny foko, satria nikomy taminao tokoa aho. Eny an-dalambe, naripaky ny sabatra ny zanako; ato an-trano, toa hoatry ny any amin’ny maty.


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin’i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin’ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra