Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 16:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa malazo ny sahan’i Hesbona; norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma izay tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-tany efitra; nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Fa zoin-doza avokoa ny sahan’i Hesebona; ny amin’ny voalobok’i Sabamà, dia efa noravan’ny tompon’ny firenena ny sakeliny mandadina, izay efa nisandrahaka hatrany Jazera, nandroso tsy hita lany tany an’efitra, nandefa lavitra ny solofony, nampita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa malazo avokoa ny sahan’i Hesbona sy ny voalobok’i Sibma, Norantsanan’ny andrian’ny firenena ny sakeliny, Tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, Ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa malazo ny sahan’i Hesbona; norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma izay tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-tany efitra; nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Ianareo tendrombohitr’i Gilbôa, aza misy ando na orana intsony eo aminareo na koa saha be vokatra hangalam-panatitra, satria teo no nahafa-baràka ny ampingan’ny mahery fo, dia ny ampingan’i Saoly tsy hihoso-diloilo intsony.


Kanjo tsy araka izany no heverin’i Asiria; zavatra hafa no kasain’ny fony, ny handringana no tao an’eritreriny ary ny hamongotra firenena maro indrindra.


Miantso vonjy ny any Hesbôna sy Elehale ka re hatrany Jahatsa ny feony; izany no mampilofika an’i Môaba sy mahakivy ny fanahiny.


Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:


Misaona ny divay vaovao fa milofika ny rantsam-boaloboka, misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.


Mihoatra noho ny fitomanian’ny mponina tao Jahizera no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibmà, fa ny sampanao nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty ka tafapaka hatrany Jahizera. Kinanjo ilay mpandrava nandripaka ny fiotazanao sy ny fijinjànao.


Naniraka olona hisafo an’i Jahezera i Mosesy; dia nalain’ny Israelita izany tanàna izany sy ireo tanàna kely miankina aminy ary noroahiny ny Amôrita izay nipetraka tao.


–I Hatarôta sy i Dibôna, i Jahezera sy i Nimrà, i Hesbôna sy i Elehale, i Sebama sy i Nebao ary i Behôna dia tanàna


sy i Hatarôta-Sôfàna, i Jahezera sy i Jôgbôhà


sy i Nebao ary i Bahala-Mehôna sy i Sibmà; ary dia nomeny anaram-baovao ny tanàna sasantsasany izay naoriny.


i Kiriataîma, Sibmà, i Tsereta-Sahary izay eo amin’ilay havoana mandondona ny lohasahan’i Jôrdàna,


Ny faritaniny dia mahafaoka ny tanàna Jahezera, ny tanàna rehetra ao Gilehada, ary ny antsasaky ny tanin’ny Hamônita tafapaka hatrany Harôhera akaikin’i Rabà;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra