Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 16:8 - Baiboly Katolika

8 Fa zoin-doza avokoa ny sahan’i Hesebona; ny amin’ny voalobok’i Sabamà, dia efa noravan’ny tompon’ny firenena ny sakeliny mandadina, izay efa nisandrahaka hatrany Jazera, nandroso tsy hita lany tany an’efitra, nandefa lavitra ny solofony, nampita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa malazo ny sahan’i Hesbona; norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma izay tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-tany efitra; nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa malazo avokoa ny sahan’i Hesbona sy ny voalobok’i Sibma, Norantsanan’ny andrian’ny firenena ny sakeliny, Tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, Ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa malazo ny sahan’i Hesbona; norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma izay tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-tany efitra; nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Ianareo tendrombohitra Jelbôe, aza misy ando aman’orana intsony eo aminareo na saha fisantaram-bokatra! Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan’ny mahery.


Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.


Mibadabada i Hesebona sy i Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba, mangovitra ny fanahin’izy io.


Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho, momba ny voalobok’i Sabamà; mandrotsaka ranomaso aminareo aho ry Hesebona, ry Eleale, fa ny vokatrareo amam-pararanonareo, no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.


Ny ranom-boaloboka misaona; ny fotony milofika; ireo nifaly am-po rehetra misento.


Mihoatra noho ny fitomaniana an’i Jazera no itomaniako anao, ry tanimboalobok’i Sabamà. Tafita ny ranomasina ny rantsanao tafapaka amin’ny ranomasin’i Jazera izy. Kanjo ny fitoazana anao amam-pitoazana ny voalobokao, nianjeran’ny mpandringana.


Naniraka olona hisafo an’i Jazera i Môizy; dia afak’izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amôreana tamin’ireny.


«I Atarôta, i Dibôna, i Jazera, i Nemrà, i Hesebona, i Eleale, i Nebô ary i Beôna,


i Atarôta-Sôfàna, i Jezera, i Jegbàa,


I Nebô ary i Baalmeôna izay samy novany anarana ary i Sabamà, ka samy nomeny ny anarana ny tanàna naoriny.


Kariataima, Sabamà, Sarat-Asara amin’ny tendrombohitra ao an-dohasaha,


ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan’i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amôna, hatrany Arôera tandrifin’i Rabà,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra