Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 16:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Nefa ankehitriny dia midradradradra ny amin’i Môaba ny Môabita. Eny, samy mitaraina izy rehetra ny amin’ny ampempam-boalobok’i Kira-Heresa, ka mitoloko fa tena voa mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Noho izany dia hidradradradra amin’i Moaba i Moaba; eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; hitomany ny faharavan’i Kira-Hareseta ianareo ka ho ory indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Nefa ankehitriny dia midradradradra ny amin’i Môaba ny Môabita. Eny, samy mitaraina izy rehetra ny amin’ny ampempam-boalobok’i Kira-Heresa, ka mitoloko fa tena voa mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Koa aoka i Moaba hitomany an’i Moaba; aoka hidradradradra izy rehetra! Ny ampempam-boalobok’i Kira Hereseta, no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, Eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok’ i Kira-haresa hianareo ka ho ory indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Noravany ny tanàna ary samy nanipazany vato avokoa ny saha voavoly rehetra mandra-pahatototra azy, notampenany ny loharano rehetra ary nokapainy ny hazo fihinam-boa rehetra. Ny tanànan’i Kira-Harôseta no sisa tsy rava, nefa na io aza dia nohodidinin’ny mpandefa antsamotady ka notafihiny ihany koa.


Dia nijanona telo andro tao Hebrôna niaraka tamin’i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin’ireo havany ho azy.


Nasainy nizaràna sakafo ny Israelita rehetra teo, ka na lehilahy na vehivavy dia samy nahazo mofo boribory iray sy didin-kena voatono iray ary ampempam-boaloboka iray avy.


Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin’i Môaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-Heresa.


Misy milaza hoe: «Anontanionareo ny avelon’ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny hoavy. Ara-dalàna raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalàna raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona.»


–Menatra sy ketraka i Môaba, hoy ny navalin’ireo, Manaova antsoantso sy kiakiaka; ambarao amin’ny faritra amoron’i Arnôna fa rava i Môaba.


Noho izany dia hanao fitarainana noho ny amin’i Môaba aho, ka hiantso vonjy ho an’ny fireneny manontolo ary hitoloko noho ny amin’ny mponin’i Kira-Heresa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra