Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 16:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Efa renay ny avonavon’i Môaba izay mpiavonavona mihoa-pampana; efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba; fatra-piavonavona loatra izy, mirehareha sy miavonavona, manao vava tafahoatra ary miteniteny foana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Efa renay ny avonavon’i Môaba izay mpiavonavona mihoa-pampana; efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba–fatra-piavonavona loatra izy– Dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:6
17 Rohy Ifampitohizana  

Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira; fatra-pianjonanjona izy raha manao zavatra.


Hafatra momba an’i Môaba. Indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Hara-Môaba, indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Kira-Môaba.


Hitanondrika ny olona mpiandranandrana, ary hihohoka ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.


Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan’ny TOMPO!» Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin’ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.


Ao izy no hitsiparaka tanana toy ny fanaon’ny mpilomano; nefa hampietry ny avonavon’i Môaba ny TOMPO na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.


Ianareo manao hoe: «Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena.»


Hofoanana ny fifanekenareo tamin’ny fahafatesana ary tsy hateza ny fifanarahanareo tamin’ny fonenan’ny maty; koa raha mandalo ny loza mifofofo fiavy, dia hanapotika anareo.


Koa hataoko tsy misy vokany ny famantarana vitan’ny mpimasy ary hataoko mirediredy ny mpisikidy; hataoko mianòtra ny olon-kendry ka hody fahadalana ny fahalalàny.


Ry olon’i Môaba, ahoana no itenenanareo hoe: «Lehilahy matanjaka izahay sady miaramila mahery an’ady»?


Nihevitra ho lehibe noho ny TOMPO i Môaba ka ataovy mamon’ny divainy sy mihosina amin’ny loany, ary ho tonga fihomehezana.


Ringana i Môaba ka tsy ho firenena intsony satria nihevi-tena ho lehibe noho ny TOMPO.


Hisy ady hamely ny mpimasiny, ka ho very saina ireo! Hisy ady hamely ny maherifony, ka ho ketraka izy!


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Môaba, fa indrindra ity anankiray ity: Nodorany ho sokay ny taolan’ilay mpanjakan’i Edôma. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra