Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 16:5 - DIEM PROTESTANTA

5 dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary hisy sezafiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo. Hisy hipetraka amin’ny fahamarinana eo aminy ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy sady ho haingam-pamoaka fitsarana marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain’i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo, Ka hisy hipetraka eo aminy amin’ny fahamarinana Ao an-dain’i Davida, Ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary hisy sezafiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo. Hisy hipetraka amin’ny fahamarinana eo aminy ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy sady ho haingam-pamoaka fitsarana marina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 16:5
31 Rohy Ifampitohizana  

Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy no efa niteny ka nanao tamiko hoe: «Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra


Nipetraka tao an-tanàna mimanda i Davida, ary niantso azy hoe «Tanànan’i Davida». Dia narafitr’i Davida ny manodidina, nanomboka hatreo Milao ka mifarana amin’ny trano fonenany.


Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Toy izany no nataon’i Hezekià manerana an’i Joda; ka nanao izay tsara sy mety izy, dia izay hitsiny teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.


Eny, akaiky an’izay manaja Azy ny famonjeny; hitoetra eto amin’ity tanintsika ity ny voninahiny.


Anao ny hery tsy hay tohaina; azo antoka ny fifehezanao, tsy refesi-mandidy ny fahefànao.


mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.


mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.


Ry mpanjaka mahery sy tia rariny ô, Ianao no nampiorina ny hitsiny sady niantoka ny rariny sy ny fitsarana teo amin’ny taranak’i Jakôba.


Fitiavana sy toetra mahatoky no miaro ny mpanjaka; ary fampiharana ny marina no mahamafy orina ny fahefàny.


Manamafy orina mandrakizay ny sezafiandrianany ny mpanjaka izay mitsara marina ny mahantra.


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Indro izy fa nataoko vavolombelon’ny fahefàko eo amin’ny foko isan-tokony sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.


Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.


Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ilay tanànan’i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanàna izany, ka hofefeko ireo banga amin’ny màndany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.


Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiôna, hatrizao ka ho mandrakizay.


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra