Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 7:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Izaho no nanazatra sy nampatanjaka ny sandriny; nefa izy kosa ny amiko dia nisaintsain-dratsy hatrany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Izaho no nanazatra sy nampatanjaka ny sandriny; nefa izy kosa ny amiko dia nisaintsain-dratsy hatrany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny; Izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, Nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 7:15
18 Rohy Ifampitohizana  

Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.


ary ny TOMPO kosa nanome mpamonjy izay hanafaka ny Israelita amin’ny fifehezan’ny Sirianina. Dia nandry feizay toy ny teo aloha ny Israelita.


Fa sambatra ny olona izay anarin’Andriamanitra! Koa aza hamaivanina, ry Jôba, ny famaizan’ilay Tsitoha.


TOMPO ô, vonjeo ho afaka amin’ny olon-dratsy aho ary arovy tsy ho azon’ny olon-dozabe


Nahoana no mihotakotaka ny firenena? Ireo vahoaka mikomy amin’ny tsinontsinona;


Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.


Sambatra ny olona anarinao, Tompo ô, ka ampianarinao amin’ny lalànanao!


Anaka, aza hamavoinao ny famaizan’ny TOMPO ary aza tofoka amin’ny fananarany.


–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.


Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.


Inona moa no iokoanareo hanohitra ny TOMPO? Fa handringana ny mpamoritra Izy, ka tsy hanindroa intsony ny fahoriana.


ary tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: «Nahoana no mihotakotaka ny firenena? Nahoana no mioko foana ny vahoaka?


Nahalala an’Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto.


sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary babonay hanaiky an’i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana.


Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe: «Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin’ny Tompo; ary aza ketraka rehefa anariny.


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra