Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 7:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Tsy mitaraina Amiko ao am-pony izy fa midradradradra foana ao am-pandrianany; mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy sady mikomy hiala Amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao, nefa Izaho iambohoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, Fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, Dia miodina miala amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Tsy mitaraina Amiko ao am-pony izy fa midradradradra foana ao am-pandrianany; mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy sady mikomy hiala Amiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 7:14
23 Rohy Ifampitohizana  

Nony ampitso dia nifoha maraina ny vahoaka israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’io alitara io. Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary avy eo dia nitsangana mba hifalifaly.


Ary hoy ny Tompo hoe: «Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban’olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy.


Ary amin’izao toe-javatra ankehitriny eto izao, inona no tombony azoko?» Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Natao babo maimaimpoana ny vahoakako. Mirehaka manakora ny mpanjakazaka mampahory azy; ary hamavoina isan’andro ny anarako.


Indro ny mpanompoko hihorakora-pifaliana noho ny hasambarana ao am-pony, fa ianareo kosa hiantsoantso noho ny alahelom-po sy hikiakiaka noho ny fanahy torotoro.


Nambolenao izy dia niorim-paka, ka nitombo sy namoa. Tononin’ny vavany Ianao, fa ataony lavitry ny fony.


Nefa na dia tao aza izany dia tsy mbola niverina tamiko tamin’ny fony fa tamin-tendro-molotra ihany i Joda mpivadika, rahavavin’i Israely. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.


Ny fon’ireo mponin’i Jerosalema dia mitaraina amin’ny Tompo. Andro aman’alina, ry mandan’i Tsiôna, avelao ny ranomasonao hikoriana toy ny riaka. Aza miato mihitsy ianao; ary aza atsahatrao ny tomany.


Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.


Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.


Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»


Na dia mitaraina amiko aza izy hoe: ‹Ry Andriamanitr’i Israely ô, mahalala Anao izahay!›,


Lamba nomen’ny mahantra ho antoka no itsilailaizany eny akaikin’ny alitara rehetra eny; ary divay azo avy amin’ny sazy no sotroiny ao an-tempolin’ireo andriamaniny.


Amin’izany andro hiaviako izany, ireo vehivavy mpihira ao an-dapa dia hanao hiram-pisaonana. ho marobe ny faty ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manao izany teny hentitra izany.


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


mangataka amin’Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan’ny filàndratsinareo no angatahinareo.


Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.


Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin’ny tempolin’ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an’i Abimelèka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra