Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 7:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Miverina ihany izy nefa tsy ho amin’ny Avo; tonga tahaka ny tsipìka mivaona fandeha izy; ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany. Izany no ho fandatsana azy any amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy Noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Miverina ihany izy nefa tsy ho amin’ny Avo; tonga tahaka ny tsipìka mivaona fandeha izy; ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany. Izany no ho fandatsana azy any amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 7:16
32 Rohy Ifampitohizana  

Lainga hatrany no ifampilazana: ny teny mandoka fa ny fo tsy azo antoka.


Hofoanan’ny TOMPO avokoa anie ny mpandoka sy ireo avo vava,


dia ireo izay manambara hoe: «Ny filàzanay no handresenay lahatra; hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!»


Tsy mba manana fo mangoraka izy, ary ny teniny feno avonavona.


fony tonga i Dôega, ilay Edômita, ka nilaza tamin’i Saoly hoe: Nankany an-tranon’i Abimeleka i Davida.


Hirahiny avy any an-danitra anie ny famonjena ahy, hataony ho afa-baràka anie ireo mpanenjika ahy! Fiatoana Eny, hirahin’Andriamanitra ho amiko anie ny fitiavana amam-pahamarinany!


Misoka-bava hamely an’Andriamanitra any an-danitra izy ary manao teny manodoka mahatety ny tany.


tsy niraiki-po taminy izy ary tsy natoky ny fanekempihavanana izay nifanaovany taminy.


nihemotra sy nivadika toy ireo razany izy, eny, nisampotina toy ny tsipîka manody.


Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin’ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


Nefa na dia tao aza izany dia tsy mbola niverina tamiko tamin’ny fony fa tamin-tendro-molotra ihany i Joda mpivadika, rahavavin’i Israely. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.


Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Ny tsatokaty hisotroanao dia mitovy amin’ny an-drahavavinao, dia tsatokaty lehibe sady lalina. Hihomehezana sy hoesoina ianao noho ny tsatokatinao feno mihatihaty.


Kanefa tany amin’ireo firenen-kafa izay nalehany dia nozimbazimbainy ny anarako masina noho ny fahadisoany. Fa nolazain’ny olona hoe: ‹Vahoakan’ny TOMPO ireo, nefa voatery nandao ny taniny!›


Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan’ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalàna; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan’Andriamanitra io ireo.


«Tsy hiverina any Ejipta ny vahoakan’i Israely; fa i Asiria kosa no hanjaka aminy, satria tsy nety niverina tamiko izy.


Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.


Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: «Inona no hataoko aminao, ry Efraîma? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon’ando izay levona vetivety!


«Lozan’ireo olon’i Efraîma, satria nandositra Ahy izy. Faharavana no eo aminy, satria nikomy tamiko izy! Ny tenako dia te hanavotra azy; fa izy kosa milaza lainga, isaky ny miteny momba Ahy.


I Efraîma dia tsy hahazo monina intsony eo amin’ny tanin’ny TOMPO; fa tsy maintsy hiverina any Ejipta izy na hankany Asiria hihinan-java-pady.


Tsy ho afa-mandraraka divay intsony izy mba ho fanatitra ho an’ny TOMPO; tsy hahafaly Azy ny sorona ateriny; ho toy ny mofom-pisaonana amin’izy ireo izany, ka ho voaloto avokoa izay mihinana azy. Hahavoky azy ihany ny mofony fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ny TOMPO.


Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.


Hoy ny TOMPO hoe: «Mafy loatra ny teny amelezanareo Ahy; nefa manontany ianareo hoe: ‹Inona no resaka nifanaovanay hamelezana Anao?›


Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory.


Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin’ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony:


Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin’ny fotoana fitsapana.


Dia toy izany koa ny lela: kely izy eo amin’ireo zavatra anisan’ny tena, nefa mirehaka ho mahefa zava-baventy. Saino fa pitik’afo tsy toy inona dia afa-mampirehitra alabe.


satria io lehilahy tia ny rariny io, fony izy nitoetra teo anivon’ireo, dia nijaly mafy tokoa tao am-pony raha nahita sy nandre isan’andro vaky ny asa ratsy vitan’ireo.


Dia nomena vava midaondaona sy manevateva an’Andriamanitra ilay biby, sady nomena fahefana mba hiasa mandritra ny 42 volana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra