Hosea 2:21 - DIEM PROTESTANTA21 Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, ry Israely; hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny, ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao; eny, hofofoiko ho vadiko marina tokoa ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, ry Israely; hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny, ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika21 Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao; hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny, ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay hianao, Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny Ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo hianao; Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache21 Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao; eny, hofofoiko ho vadiko marina tokoa ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo. Jereo ny toko |
Ento manontolo àry ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko. Ary zahao toetra amin’izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo.