Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hosea 2:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Koa amin’izany andro izany, dia hanao fanekempihavanana ho an’ny vahoakako Aho, dia amin’ny biby eny an-tsaha, amin’ny voromanidina, amin’ny biby mandady; hofoanako tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipîka sy ny sabatra ary ny ady, ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Amin’izany andro izany dia hanao fanekena ho azy Aho, miaraka amin’ny bibidia sy ny voromanidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandeha amin’ny tany. Hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady ka hataoko mandry fehizay ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Koa amin’izany andro izany, dia hanao fanekempihavanana ho an’ny vahoakako Aho, dia amin’ny biby eny an-tsaha, amin’ny voromanidina, amin’ny biby mandady; hofoanako tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipîka sy ny sabatra ary ny ady, ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Amin’izany andro izany Aho hanao fanekena ho azy, amin’ny biby dia, amin’ny voromanidina, ary amin’ny biby mandady amin’ny tany; hofoanako tsy hisy amin’ny tany ny tsipìka aman-tsabatra ary ny ady, ka hataoko mandry feizay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary raha mby amin’izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ny bibi-dia Sy amin’ny voro-manidina Ary amin’ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, Dia hataoko mandry fahizay izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:20
31 Rohy Ifampitohizana  

ary amin’ny zava-mananaina rehetra eo aminareo na ny vorona, na ny biby fiompy na ny bibidia, dia izay rehetra nivoaka tamin’ny sambofiara niaraka taminareo.


Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.


Ianao tsy hatao intsony hoe «ilay tanàna nafoy» ary ny taninao tsy hatao intsony hoe «ilay tany lao»; fa ianao dia hantsoina hoe «ilay sitraky ny TOMPO», ary ny taninao hatao hoe «ilay vady ampakarina.» Satria ho sitraky ny Tompo ianao ary ny taninao hanana vady mpampakatra.


Homeko azy ny fo miaiky fa Izaho no TOMPO. Hiverina amiko amin’ny fony manontolo ireo; ka ho vahoakako izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny.


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin’ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin’ity tany ity.


Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny:


Hohavaoziko ny fanekempihavanako aminao, ka dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.


Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


«Hanao fanekempihavanana amin’ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin’ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an’ala aza.


Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin’ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan’ny mpanandevo azy izy. Amin’izay hoekeny fa Izaho no TOMPO.


Toy izany no hanehoako eo imason’ny firenen-kafa marobe fa Izaho dia Andriamanitra lehibe sady masina; amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO.


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Tsy havelako hotononiny ny anaran’ireo Bahala ka tsy hotsaroana mbamin’ny anarany.


Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.»


Ho tratry ny fiotazam-boaloboka ny fivelezam-bary eo aminareo, ary ho tratry ny famafazana ny fiotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry feizay eo amin’ny taninareo.


Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo; fa hofongorako ny biby masiaka eo amin’ny tany, ary tsy mba handalovan’ady intsony izy.


Hitsara eo anivon’ny firenena maro Izy ary handresy lahatra ny firenena matanjaka, na ny akaiky na ny lavitra. Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana. Tsy hifamely amin’ny sabatra ny asany firenena, ary tsy hianatra ady intsony.


Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady Hopotehiny ny tsipîkan’ady ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata ka hatrany am-paran’ny tany.


Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!


Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy!


Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.


Saingy tsy nahafantatra Azy ianareo; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo. Eny, mahalala Azy Aho sady mitandrina ny teniny.


Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.


Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy


Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra,


ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.


Ka samy tsy hisy hampianatra ny mpiray firenena aminy na hampianatra ny havany intsony hanao hoe: ‹Mahalalà ny Tompo!› Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.


Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra; ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny Fanahy fahamarinana sy ny fanahy fahadisoan-kevitra.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra