Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao ka hiaiky Ahy ho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao ka hahalala NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao ka hiaiky Ahy ho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 hofofoiko ho Ahy amin’ny fahamarinana ianao, ka hahalala an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana hianao, Ka dia hahalala an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao ka hahalala NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:22
8 Rohy Ifampitohizana  

Ianao tsy hatao intsony hoe «ilay tanàna nafoy» ary ny taninao tsy hatao intsony hoe «ilay tany lao»; fa ianao dia hantsoina hoe «ilay sitraky ny TOMPO», ary ny taninao hatao hoe «ilay vady ampakarina.» Satria ho sitraky ny Tompo ianao ary ny taninao hanana vady mpampakatra.


Homeko azy ny fo miaiky fa Izaho no TOMPO. Hiverina amiko amin’ny fony manontolo ireo; ka ho vahoakako izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny.


Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany, satria tsy ho ela ny hanafaizako ny taranak’i Jehò noho ny ra latsaka tao Jizrehèla; ary hofaranako ny fanjakan’ny taranak’i Israely.


Hisandrahaka rantsana izy, ka ho tsara tarehy toy ny hazo ôliva ary hamerovero toy ny alan’i Libàno.


ka mamaly vavaka azy hoe: «Handefa varimbazaha sy divay ary menaka ho anareo AHO. Ho vokin’izany ianareo ka tsy havelako intsony holatsain’ny hafa firenena.


Hitondra azy avy any Aho, ka hamponina azy ao Jerosalema; dia ho vahoakako izy, ary Izaho ho Andriamaniny amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra