Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 49:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ry Joda zanako, toy ny liona tanora ianao, dia liona avy niremby ka mamonjy fierena; mitorevaka toy ny lion-dahy i Joda ka matory, ary mamitsaka toy ny liom-bavy, ka iza no hampitsangana azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Zanaka liona i Joda. Avy niremby ianao, anaka! Mamitsaka, mandry toy ny liona izy, toy ny liom-bavy, koa iza no hanaitra azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ry Joda zanako, toy ny liona tanora ianao, dia liona avy niremby ka mamonjy fierena; mitorevaka toy ny lion-dahy i Joda ka matory, ary mamitsaka toy ny liom-bavy, ka iza no hampitsangana azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Liona tanora i Jodà: Niakatra avy nandripaka ianao, anaka; Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, Fandrin-diom-bavy, zovy no hanaitra azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Zana-diona, Joda, Avy niremby hianao, anaka; Mamitsaka, mandry toy ny liona izy, Ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Zanaka liona i Joda. Avy niremby ianao, anaka! Mamitsaka, mandry toy ny liona izy, toy ny liom-bavy, koa iza no hanaitra azy?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 49:9
11 Rohy Ifampitohizana  

ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin’ny zanatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.


Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan’ny fitehenan-tanana;


Rehefa tsapan’ilay liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nalainy ny iray hafa tamin’ireo zanany ka notezainy ho tonga liona tanora matanjaka.


Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.


Fa tsy mamela azy hiverina amin’Andriamaniny ny asa nataon’ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.


Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!


Indro io vahoaka io fa mitsangana toy ny bibidia masiaka, ary mijoro tahaka ny liona, izay tsy mandry raha tsy voky remby sy mamon’ny ran’ny biby voahazany.»


Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»


Aorian’izany, dia ho tonga ny farany: hofoanan’i Kristy avokoa ireo fanapahana sy fahefana ary hery manohitra Azy, ka hatolony an’ilay Andriamanitra sady Ray ny Fanjakana.


Ny amin’ny taranak’i Gada, dia hoy i Mosesy hoe: «Hankalazaina anie ny Tompo Izay manome faritra malalaka ho an’ny fokon’i Gada! Tahaka ny liona no amitsahan’ny fokon’i Gada, dia liona vonon-kamiravira ny sandrin’ny rembiny mbamin’ny lohany koa aza.


Dia hoy ny anankiray tamin’ireo loholona tamiko: –Aoka izay ny ranomasonao! Indro ny liona avy amin’ny fokon’i Joda, dia ilay solofon’i Davida mpanjaka, fa nahazo fandresena ka afaka hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra