Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 49:6 - DIEM PROTESTANTA

6 kanefa tsy te handray anjara amin’ny fiokoany aho ary tsy te hanatrika ny fivoriany, satria nentanim-pahatezerana izy ka namono olona ho faty ary tia setrasetra ka nitraingo ombilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 tsy hiditra amin’izay fiokoany aho ary tsy hiray amin’izay fivoriany! Satria tamin’ny fahatezerany no namonoany olona ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 kanefa tsy te handray anjara amin’ny fiokoany aho ary tsy te hanatrika ny fivoriany, satria nentanim-pahatezerana izy ka namono olona ho faty ary tia setrasetra ka nitraingo ombilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy, ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Aza mankeo amin’izay iokoany, ry foko, Ary aza miray amin’ny fiangonany, ry fanahiko; Fa tamin’ny fahatezerany no namonoany olona, Ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 tsy hiditra amin’izay fiokoany aho ary tsy hiray amin’izay fivoriany! Satria tamin’ny fahatezerany no namonoany olona ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 49:6
29 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jakôba tamin’i Simehôna sy i Levỳ: –Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin’ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako.


Mpitaingin-tsoavaly miisa andiany 17 sy miaramila an-tongotra miisa andiany roapolo no voababon’i Davida taminy; saingy nasain’i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.


Kalesy arivo sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra 20 000 no voababon’i Davida taminy; saingy nasain’i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.


Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin’ny lalan’ny mpanota, na miray toerana amin’ny mpaniratsira!


Nataon’i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho, hisaotra eram-po ny anarany masina!


Andriamanitra ô, haringanao mihitsy anie ny olon-dratsy ary hohalavirinao ahy anie ny mpamono olona!


Koa faly sy ravo ny fo amam-panahiko, ary izany no itoerako amim-pahatokiana;


Aza aringana miaraka amin’ny mpanota aho; ny aiko, aza esorina toy ny an’ny mpamono olona,


Aoka aho tsy hailikao tahaka ny olon-dratsy, dia ireo olona efa zatra manao heloka; fihavanana no resahiny amin’ny namany, kanjo fandozàna no mameno ny fony.


Dia navadikao ho dihy ny alaheloko. Nesorinao tamiko ny fitafiam-pisaonako ka nosoloanao akanjom-pifaliana.


Ny fandatsalatsàny ahy dia toa mahatorotoro ny taolako, noho izaho ilazany foana hoe: «Aiza ity Andriamanitrao?»


Hontsa tokoa aho mahatsiaro ny fahiny fony aho niaraka tamin’ny besinimaro nandroso nankao an-tranon’Andriamanitra, ombàn’ny feo fihobiana sy fiderana redonim-bahoaka indray mankalaza.


Nahoana re aho no mitanondrika sy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!


Tsy misy azo ianteherana izay lazain’ireo, sady feno heloka ny ao am-pony; ny lelany toy ny lala-malama, ny tendany toy ny fasa-mitanatana.


Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko ka hihira sy hankalaza Anao amin-tsalamo aho.


Andriamanitra ô, mitaraina aminao aho ka henoy. Ny aiko mba arovy amin’ny fahavalo atahorako.


ka ilazany hoe: «Andao hiaraka aminay; aoka isika hanotrika handatsa-dra, ka hotampohintsika tsy ahoan-tsy ahoana hatramin’ny olon-tsy manan-tsiny aza.


Ny olo-marina mihevitra ny rariny; fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka.


Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako teo amin’ny fivorian’ny mpikorana aho, fa noteren’ny herinao hitoetra irery satria nofenoinao ny fahatezeranao.


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Rehefa izany, dia izao no holazaiko anakampo amin’ny aiko: Ry aiko ô, manan-tahirim-pananana be tsy ho lany lanîna mandritra ny taona maro ianao; koa mialà sasatra, mihinàna, misotroa sy milibà.»


Aza miray petsapetsa amin’ny tsy mpino, fa tsy sahaza anareo ny miara-dia aminy. Satria ahoana no ikambanan’ny marina amin’ny ratsy fanahy? Ahoana no hiombonan’ny mazava amin’ny maizina?


«Ho voaozona anie izay mahafaty an-takona ny namany!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»


Araka izay nolazain’ny TOMPO no nataon’i Josoa taminy, ka notraingoiny ny soavalin’ireo ary nodorany tamin’ny afo ny kalesiny.


Renirano efa nikoriana hatry ny ela, dia ny renirano Kisôna, no nipaoka ny fahavalo. Aoka mba hiroso hiady amin-kerim-po koa aho!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra