Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 46:7 - DIEM PROTESTANTA

7 fa nasainy nentina tany Ejipta avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy mbamin’ny zafikeliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ny zanany lahy sy ny zafiny lahy niaraka taminy, ary ny zanany vavy sy ny zafiny vavy; eny, noentiny niaraka taminy ho any Ejipta avokoa ny zanany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 fa nasainy nentina tany Ejipta avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy mbamin’ny zafikeliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 ny zanani-lahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zanani-vavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 46:7
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga avy tany an-tsaha ireo zanakalahin’i Jakôba ka nandre ny vaovao, dia nahatsiaro ny tenany ho afa-baràka sady nirehi-pahatezerana mafy, satria zava-pady ny nandrian’i Sekema an-keriny tamin’ny zanakavavin’i Jakôba; fa zavatra tsy fanao izany tao Israely.


Nentin’ireo koa ny biby fiompiny mbamin’ny fananana hafa izay noharîny tao amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Ejipta i Jakôba sy ny taranany rehetra niaraka taminy,


Ireto no anaran’ny Israelita tonga tany Ejipta, dia i Jakôba sy ny zanaka aman-jafiny: I Reobena, lahimatoan’i Jakôba,


Taorian’izany, dia tonga tany Ejipta i Jakôba mianakavy ary nifindra monina tao amin’ny tanin’i Hama.


Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Tamin’ny voalohany dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny; avy teo dia ny Asirianina no nampahory azy tsy amin’antony.


Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.


Aza mitady izay hiadanan’ireo firenena ireo na izay hahasoa azy na oviana na oviana ianareo amin’ny andro rehetra hiainanareo.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.


ary nomeko ho zanakalahin’i Itsehàka kosa i Jakôba sy i Hesao. Natolotro ho fananan’i Hesao ny faritra havoan’i Sehîra; fa i Jakôba sy ny zanany kosa nidina tany Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra