Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 46:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nentin’ireo koa ny biby fiompiny mbamin’ny fananana hafa izay noharîny tao amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Ejipta i Jakôba sy ny taranany rehetra niaraka taminy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Noentin’izy ireo ny omby aman’ondriny sy ny fananany izay nohariny tany amin’ny tany Kanana. Tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny zanany rehetra niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nentin’ireo koa ny biby fiompiny mbamin’ny fananana hafa izay noharîny tao amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Ejipta i Jakôba sy ny taranany rehetra niaraka taminy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany noharîny tany amin’ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nentin’izy ireo ny omby aman-ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin’ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 46:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.


fa nasainy nentina tany Ejipta avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy mbamin’ny zafikeliny.


Taorian’izany, dia tonga tany Ejipta i Jakôba mianakavy ary nifindra monina tao amin’ny tanin’i Hama.


Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Tamin’ny voalohany dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny; avy teo dia ny Asirianina no nampahory azy tsy amin’antony.


Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.


Nidina nankany Ejipta avokoa izy mianakavy; ary tany no maty i Jakôba sy ny razantsika.


Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.


ary nomeko ho zanakalahin’i Itsehàka kosa i Jakôba sy i Hesao. Natolotro ho fananan’i Hesao ny faritra havoan’i Sehîra; fa i Jakôba sy ny zanany kosa nidina tany Ejipta.


Rehefa tonga tany Ejipta ry Jakôba, dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny razanareo; koa nandefa an’i Mosesy sy i Aharôna IZY hitondra azy hiala tany Ejipta ary hametraka azy amin’ity tany ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra