Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 46:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vadiny aman-janany, teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny Zanak’Isiraely nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin’ny sariety, izay efa nampitondrain’i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 46:5
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.


Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin’ny rainy.


Dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nasaina nataony. Koa nomen’i Jôsefa sarety izy araka ny baikon’ny Farao, sady nomeny vatsin-dalana koa.


Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray


Koa nampiantso an’i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: –Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman’osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto.


Ankoatra izany, hoentinay koa ny andiam-biby fiompinay, ka tsy hisy bibinay havela na iray aza. Tsy maintsy hakanay hatao fanatitra ho an’ny TOMPO Andriamanitray koa mantsy ireo; nefa tsy fantatray hoe iza amin’ireo no hataonay fanatitra, raha tsy efa tonga any an-toerana.


Nidina nankany Ejipta avokoa izy mianakavy; ary tany no maty i Jakôba sy ny razantsika.


Rehefa tonga tany Ejipta ry Jakôba, dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny razanareo; koa nandefa an’i Mosesy sy i Aharôna IZY hitondra azy hiala tany Ejipta ary hametraka azy amin’ity tany ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra