Genesisy 41:8 - DIEM PROTESTANTA8 Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Nony maraina dia nitebiteby izy ka nandefa iraka haka ny ombiasy rehetra tany Ejipta sy ny olon-kendriny rehetra. Nambaran’i Farao azy ireo ny nofiny, nefa tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Nitebiteby ny fanahin’i Faraôna nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin’i Faraôna. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran’i Farao tamin’ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 Nony maraina dia nitebiteby izy ka nandefa iraka haka ny ombiasy rehetra tany Ejipta sy ny olon-kendriny rehetra. Nambaran’i Farao azy ireo ny nofiny, nefa tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao. Jereo ny toko |
Fa ato amin’ny fanjakanao misy lehilahy iray entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra masina; ary tamin’ny andron-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena toy ny fahendren’ireo andriamanitra tao aminy. Izany no nanendren’i Nebokadnetsara mpanjaka rainao azy ho lehiben’ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy.
Nisy koa filôzôfy epikorianina sy stôisianina nifanakalo hevitra taminy, ka hoy ny sasany hoe: –Inona no tian’ity mpirediredy holazaina? Ny sasany kosa, nony nandre an’i Paoly nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty, dia niteny hoe: –Toa andriamanitra vahiny no torîny!