Genesisy 41:25 - DIEM PROTESTANTA25 Dia hoy i Jôsefa tamin’ny Farao: –Anankiray ihany no hevitr’ireo nofinao roa ireo. Izay efa hataon’Andriamanitra no ambarany aminao, ry Farao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201125 Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: Iray ihany ny nofin’i Farao; izay hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara25 Dia hoy i Jôsefa tamin’ny Farao: –Anankiray ihany no hevitr’ireo nofinao roa ireo. Izay efa hataon’Andriamanitra no ambarany aminao, ry Farao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika25 Dia hoy i Josefa tamin’i Faraôna: «Iray ihany ny nofin’i Faraôna, ary izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Faraôna. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy25 Ary hoy Josefa tamin’i Farao: Ny nofin’i Farao dia iray ihany; izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao. Jereo ny tokoMalagasy Bible25 Ary hoy Josefa tamin'i Farao: Ny nofin'i Farao dia iray ihany; izay efa hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Farao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache25 Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: Iray ihany ny nofin’i Farao; izay hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao. Jereo ny toko |
Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin’ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: «Marina izany!»
Izany no ambaran’ilay vato izay hitanao niendaka tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana, ka nanapotika ny vy sy halimo mbamin’ny tanimanga sy volafotsy ary volamena. Nampahafantarin’Andriamanitra lehibe anao, ry mpanjaka ô, izay hiseho amin’ny hoavy. Tena marina ny nofinao ary azo antoka ny heviny.»