Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 41:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ka hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Tsy izaho fa Andriamanitra no afaka hanome azy valiny hampiadana anao, ry Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hoy ny navalin’i Josefa an’i Farao hoe: Tsy ahy izany! Andriamanitra no hilaza izay valiny hampiadana an’i Farao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ka hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Tsy izaho fa Andriamanitra no afaka hanome azy valiny hampiadana anao, ry Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia hoy ny navalin’i Josefa tamin’i Faraôna: «Tsy izaho fa Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’i Faraôna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Josefa dia namaly an’i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Josefa dia namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Hoy ny navalin’i Josefa an’i Farao hoe: Tsy ahy izany! Andriamanitra no hilaza izay valiny hampiadana an’i Farao!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:16
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy indray i Jakôba hoe: –Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian’ondry aman’osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrôna i Jôsefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin’i Sekema izy,


Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.


Koa niteny tamin’i Jôsefa ny Farao nanao hoe: –Tao amin’ny nofiko dia hitako nijoro teo amoron’i Neily aho.


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny Farao: –Anankiray ihany no hevitr’ireo nofinao roa ireo. Izay efa hataon’Andriamanitra no ambarany aminao, ry Farao.


Izany, ry Farao, no efa voalazako taminao teo hoe: Izay efa hataon’Andriamanitra no asehony aminao.


Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka: –Raha tsy mamonjy anao ny TOMPO, ahoana kosa no hamonjeko anao? Fa tsy misy intsony tahirim-bary na tahirin-divay.


Izay ny mpanjaka vao namaly an’i Daniela ka nanao hoe: –Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa afaka nanambara tamiko izany zava-miafina izany ianao.


Nanonofy zava-nampatahotra ahy aho ka nieritreritra teo am-pandriana; fa izay hitako dia nampitebiteby ahy.


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


sady nanao hoe: –Raha mba fantatrao amin’ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany!


Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: –Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io?


Dia noraisin’i Petera ny tanan-kavanan’ilay kilemaina ary nasainy nitsangana izy. Natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny;


Saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.


Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin’ny tenanay; fa avy amin’Andriamanitra ny fahaleovana ananany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra