Genesisy 41:15 - DIEM PROTESTANTA15 Dia hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Nanonofy aho nefa tsy nisy olona nahalaza ny heviny. Kanefa reko fa ianao, hono, afaka manazava ny hevitry ny nofy izay lazaina aminao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Hoy i Farao tamin’i Josefa: Nanonofy aho fa tsy misy mahalaza ny heviny; nahare nefa aho fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Dia hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Nanonofy aho nefa tsy nisy olona nahalaza ny heviny. Kanefa reko fa ianao, hono, afaka manazava ny hevitry ny nofy izay lazaina aminao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika15 Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Nanonofy aho, ka tsy nisy nahalaza ny heviny, ary nandre fa hoe mahalaza ny hevitry ny nofy ambara aminao ianao.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Ary hoy Farao tamin’i Josefa: Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa hianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Ary hoy Farao tamin'i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Hoy i Farao tamin’i Josefa: Nanonofy aho fa tsy misy mahalaza ny heviny; nahare nefa aho fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Jereo ny toko |
Fa fanahy tena fatratra no hita tao amin’i Daniela izay nantsoin’ny mpanjaka hoe Beltesatsara; nanana fahalalana sy fahiratan-tsaina izy ka afa-manazava ny hevitry ny nofy sady mahatakatra ny teny saro-pantarina, ary mamaha ny olana. Koa ankehitriny, aoka hampanantsoina i Daniela, fa izy no hanazava ny hevitry ny soratra.