Fa ato amin’ny fanjakanao misy lehilahy iray entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra masina; ary tamin’ny andron-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena toy ny fahendren’ireo andriamanitra tao aminy. Izany no nanendren’i Nebokadnetsara mpanjaka rainao azy ho lehiben’ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy.