Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 41:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Niaraka taminay kosa, dia nisy tao zatovo Hebrio, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina, nitantarànay ny nofinay, ka nambarany taminay ny heviny, samy nilazany ny hevitry ny azy avy izahay,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon’ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:12
5 Rohy Ifampitohizana  

Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.


Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.


Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,


Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra