Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 22:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Mbola nanana vadikely natao hoe Reomà i Nahôra ka niterahany an’i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Mahekà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary ny vady tsindranony koa, izay atao hoe Reoma, dia niteraka an’i Teba, i Gahama, i Tahasy ary i Maaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Mbola nanana vadikely natao hoe Reomà i Nahôra ka niterahany an’i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Mahekà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an’i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 22:24
7 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.


Izy valo lahy no naterak’i Milkà tamin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. I Betoela no rain’i Rebekà.


Rehefa niaina 127 taona i Sarà,


Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.


I Mahekà, vadikelin’i Kaleba, no reny niteraka an’i Sebera sy i Tirehanà;


Ankoatran’i Mahalato dia nalain’i Rehabohama ho vady koa i Mahekà zanakavavin’i Absalôma sady niteraka an’i Abià sy i Hatahy ary i Zizà sy i Selômita.


Ny tranon’ny mpiavonavona dia ravàn’ny TOMPO; fa arovany kosa ny tanin’ny mpitondratena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra