Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ary nitarainan’i Abrahama i Abimelèka noho ilay lavaka fantsakana nalain’ireo mpanompon’i Abimelèka an-keriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary nananatra an’i Abimeleka i Abrahama noho ny lavaka fantsakana iray izay nalain’ny mpanompon’i Abimeleka an-keriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ary nitarainan’i Abrahama i Abimelèka noho ilay lavaka fantsakana nalain’ireo mpanompon’i Abimelèka an-keriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Nanome tsiny an’i Abimeleka anefa i Abrahama, fa nisy lavaka fantsakana anankiray nanaovan’ny mpanompony an-keriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary Abrahama nananatra an’i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray, izay efa nalain’ny mpanompon’i Abimeleka an-keriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary nananatra an’i Abimeleka i Abrahama noho ny lavaka fantsakana iray izay nalain’ny mpanompon’i Abimeleka an-keriny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:25
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Abrahama hoe: –Ianianako izany!


Fa namaly azy i Abimelèka hoe: –Tsy fantatro izay nanao izany zavatra izany, ary ianao koa tsy nanambara tamiko sady izao aho vao mandre izany.


Fa novalian’ireo hoe: –Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin’izay dia hoesorina ny vato eo amin’ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman’osy izahay.


Mandaitra kokoa ny anatra iray amin’ny olona misaina noho ny kapoka injato amin’ny olona adala.


Alamino miaraka amin’ny namanao ny adinao aminy, nefa aza tsikafonina ny tsiambaratelon’ny hafa;


Aleo fampitandremana tsy misorona toy izay fitia afinafenina.


–Raha diso taminao ny havana iray finoana, dia hatony; ary ianao sy izy mitokana iny no asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny havanao.


ka izao no navaliny azy: –Mba anaovy fanomezana aho! Tany ngazana any atsimo no natolotrao ahy, ka mba omeo loharano aho. Dia nomen’i Kaleba azy ny loharano any ambony sy ny loharano atỳ ambany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra