Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny faladian’ny andry dia halimo, ny farango sy ny anjany dia volafotsy, ny lohan’ny andry dia norakofana takela-bolafotsy; ary ny andry rehetra dia natohin’ny anjaka volafotsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary ny faladian’ny andriny dia nataony varahina; ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany dia nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takelaka volafotsy; samy nisy farango volafotsy hitohizany avokoa ny andriny rehetra tamin’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny faladian’ny andry dia halimo, ny farango sy ny anjany dia volafotsy, ny lohan’ny andry dia norakofana takela-bolafotsy; ary ny andry rehetra dia natohin’ny anjaka volafotsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 varahina ny faladian’ny andry, volafotsy ny faraingo amin’ny andry sy anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany. Voakambana amin’ny anja-bolafotsy avokoa ny andry amin’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny faladian’ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin’ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin’ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary ny faladian’ny andriny dia nataony varahina; ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany dia nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takelaka volafotsy; samy nisy farango volafotsy hitohizany avokoa ny andriny rehetra tamin’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:17
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao koronosy roa koa izy hapetraka eo an-tampon’ny andry, ary izany dia halimo narendrika mirefy roa metatra sy sasany avy ny haavony.


farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin’ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin’ny faladia halimo roapolo.


Ny temitra rehetra manodidina ny kianja dia samy vita tamin’ny kiran-drongony mafy avokoa.


Ny efitra lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia namboarin’ny mpanao peta-kofehy tamin’ny kiran-drongony mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky; mirefy folo metatra ny halavany ary roa metatra sy sasany ny haavony, tahaka ireo temitra lamban’ny kianja.


Ny Merarita no miandraikitra ny hazo fisaka amin’ny Tranolay; ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Merarita.


ny andrin’ny fefin’ny kianja mbamin’ny faladiany, ny tsatòka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran’ireo zavatra izay hoentin’ny tsirairay avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra