Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ny efitra lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia namboarin’ny mpanao peta-kofehy tamin’ny kiran-drongony mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky; mirefy folo metatra ny halavany ary roa metatra sy sasany ny haavony, tahaka ireo temitra lamban’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; roapolo hakiho ny halavany; ary ny haavony dia nitovy tamin’ny lambanan-damba, dimy hakiho, araka ny haavon’ny fefy lamban’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ny efitra lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia namboarin’ny mpanao peta-kofehy tamin’ny kiran-drongony mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky; mirefy folo metatra ny halavany ary roa metatra sy sasany ny haavony, tahaka ireo temitra lamban’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ny lamba varavarana tamin’ny vavahadin’ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny haavony, tahaka ny sakan’ny fefy lamba amin’ny kianja;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samy hafa soratra tamin’ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin’ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon’ny fefy lamban’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; roapolo hakiho ny halavany; ary ny haavony dia nitovy tamin’ny lambanan-damba, dimy hakiho, araka ny haavon’ny fefy lamban’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:18
5 Rohy Ifampitohizana  

Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany.


«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.


«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


Ny faladian’ny andry dia halimo, ny farango sy ny anjany dia volafotsy, ny lohan’ny andry dia norakofana takela-bolafotsy; ary ny andry rehetra dia natohin’ny anjaka volafotsy avokoa.


Andry efatra misy faladiany halimo efatra no nametahana azy; volafotsy ny farangony sady norakofana volafotsy koa ny lohan’ny andry sy ny anjany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra