Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Nifanatrika ny kerobima roa sady nanatrika ny saron’ny Vatamasina izay nalofany tamin’ny elany mivelatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary nivelatra teo ambony ny elatry ny kerobima ka nalofan’io elany io ny rakotra fanaovam-panavotana; nifanatrika ny tavany sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Nifanatrika ny kerobima roa sady nanatrika ny saron’ny Vatamasina izay nalofany tamin’ny elany mivelatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Nivelatra niakatra ny elatry ny kerobima manaloka ny fanaovam-panavotana ary ny tavany mifanatrika, ary ny tavan’ny kerobima mitodika manatrika ny fanaovam-panavotana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan’ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary nivelatra teo ambony ny elatry ny kerobima ka nalofan’io elany io ny rakotra fanaovam-panavotana; nifanatrika ny tavany sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:9
15 Rohy Ifampitohizana  

Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin’ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.


Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.


Napetraka teo afovoan’ny efitrano misy ny Vatamasina ny kerobima; ary natao mivelatra ny elany, ka ny ilany samy nipaka tamin’ny rindrina an-kilany sy an-daniny avy, ary ny elatra roa hafa kosa dia nifanendry teo afovoan’ny efitrano.


Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron’ny Vatamasina izay alofany amin’ny elany mivelatra.


Nisy latabatra namboarina tamin’ny hazo mimôzà, ka nirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.


Novoasany mitambatra amin’ny saron’ny Vatamasina ireo kerobima roa ireo, teo amin’ny sakany avy.


Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany.


Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!


Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.


fa ankehitriny kosa naseho tamin’ny alalan’ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren’Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina.


Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.


Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra