Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:41 - DIEM PROTESTANTA

41 «Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Dia ampiakanjoy an’i Arona rahalahinao sy ireo zanany ireo; ary hosory izy ireo dia atokàny sy hamasino mba hanao fisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 «Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 «Hampiakanjoinao i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanao izy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ary ataovy amin’i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokàna azy ary manamasìna azy, mba ho mpisorona ho ahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Dia ampiakanjoy an’i Arona rahalahinao sy ireo zanany ireo; ary hosory izy ireo dia atokàny sy hamasino mba hanao fisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:41
24 Rohy Ifampitohizana  

«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.


Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.


Hapetrakao eo am-pelatanan’i Aharôna sy ny zanany ireo, ka hasainao ahevahevany eo anatrehako ho fanatitra ahevaheva.


«Mifanaraka tanteraka amin’ny torolalana efa nomeko anao no hataonao amin’i Aharôna sy ny zanany. Haharitra fito andro ny lanonana fametrahana azy amin’ny asany.


Dia alao ny ilomasina fanokanana ka araraho eo an-dohany, ary atokany izy.


apetaho ny fehikibony sy ny satroka boribory. Manomboka hatreo dia ho anjara raikitra ho azy ireo ny fisoronana. «Ary toy izao no hanamarihanao ny fidiran’i Aharôna sy ny zanany lahy amin’ny raharahany:


Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy miaraka amin’ny sira mba hahatonga azy ho voatokana sy madio.


Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.


dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.»


Amin’izany andro izany, hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra, ary halàny eo am-bozonanao ny zioga. Miakatra ao Samaria ny fahavalo,


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Koa mandritra ny fito andro no hanaovam-panavotana ny alitara ka hanadiovana azy sy hanokanana azy.


Ianareo kosa aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, fandrao maty ianareo; satria voatokana ho an’ny TOMPO ianareo noho ny menaka nanosorana anareo. Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy izy telo mianaka.


Handro ao amin’ny faritra anankiray voatokana ho an’izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an’ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka.


ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.


Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Aharôna izay samy mpisorona voahosotra sy voatokana hanao ny fisoronana.


Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.


Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay voaantson’Andriamanitra tahaka an’i Aharôna.


Olona zoim-pahalemena no voatendrin’ny lalànan’i Mosesy ho mpisorombe; fa ny teny ombàm-pianianana, izay notononin’Andriamanitra tatỳ aorian’ny lalàna, no nanendry ny Zanany ho Mpisorombe, dia ilay Zanany efa tonga amin’ny fanaperana mandrakizay.


Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo.


Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin’i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy no mampianatra anareo ny amin’ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin’i Kristy ianareo, araka ny nampianaran’ny Fanahy Masina anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra