Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:40 - DIEM PROTESTANTA

40 «Ary ireo zanakalahin’i Aharôna koa dia hanaovana fanamiana mihaja sy be voninahitra, dia akanjo lava sy fehikibo ary satroka boribory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Manaova koa akanjo lava ho an’ireo zanak’i Arona dia anamboary fehikibo izy ireo; ary manaova ihany koa satroka boribory ho azy ireo ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 «Ary ireo zanakalahin’i Aharôna koa dia hanaovana fanamiana mihaja sy be voninahitra, dia akanjo lava sy fehikibo ary satroka boribory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 «Ny an’ny zanak’i Aarôna dia tonîka no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehikibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Ary manaova akanjo lava ho an’ny zanak’i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

40 Manaova koa akanjo lava ho an’ireo zanak’i Arona dia anamboary fehikibo izy ireo; ary manaova ihany koa satroka boribory ho azy ireo ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniana.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:40
16 Rohy Ifampitohizana  

Hanaovana fanamiana voatokana i Aharôna ho mariky ny voninahitra amam-piandrianany.


Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.


Ampanatony ireo zanakalahin’i Aharôna, ary ampanaovy ny akanjo vita peta-kofehy;


apetaho ny fehikibony sy ny satroka boribory. Manomboka hatreo dia ho anjara raikitra ho azy ireo ny fisoronana. «Ary toy izao no hanamarihanao ny fidiran’i Aharôna sy ny zanany lahy amin’ny raharahany:


–ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.


Mifohaza ianao, ry Tsiôna ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.


Handro ao amin’ny faritra anankiray voatokana ho an’izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an’ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka.


Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanakalahin’i Aharôna ka nampiakanjoiny akanjo lava sy noetràny fehikibo ary nametrahany satroboninahitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.


tsy hangalatra ny zavany, fa haneho toetra mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin’ny zavatra rehetra ny fampianarana momba ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika.


Amin’ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin’ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina:


Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra