Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:42 - DIEM PROTESTANTA

42 Mba hanaronana ny fitanjahany, dia hanaovana kilaoty rongony izy hanarona ny hatreo amin’ny tehezany ka hatramin’ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Ary manaova kalisaonina fohy amin’ny lamba rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany hatramin’ny maojany ka hatramin’ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Mba hanaronana ny fitanjahany, dia hanaovana kilaoty rongony izy hanarona ny hatreo amin’ny tehezany ka hatramin’ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 Manaova kalisaona rongony fotsy ho azy ireo, hanarona ny fitanjahany; ataovy hatreo amin’ny valahany ka hatreo amin’ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin’ny valahany ka hany ka hatramin’ny feny no hisy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

42 Ary manaova kalisaonina fohy amin’ny lamba rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany hatramin’ny maojany ka hatramin’ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:42
8 Rohy Ifampitohizana  

Aza asiana tohatohatra hiakaranareo ho eo amin’ny alitarako mba tsy hiseho ny fitanjahanareo.»


notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.


Ary raha miditra ny vavahadin’ny kianja anatiny ny mpisorona, dia hitondra ny akanjo fanamiana fotsy. Tsy hitondra akanjo volonondry eny aminy izy mandritra ny anatanterahany ny asany ao an-kianja anatiny sy ao an-tempoly.


Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany ary kalisaona rongony fotsy no hanaovany. Tsy hitondra zavatra mamehifehy mahatsemboka azy izy.


Akanjo lava voatokana, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hanaovany; kalisaonina, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hataony manolo-koditra; fehikibo, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hietrany; ary fehiloha, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hisatrohany: samy fanamiana voatokana ireo ka rehefa avy nandro i Aharôna vao hitafy azy.


Tsy hasiana leviora no hanendasana azy; satria izany anjara omeko ny mpisorona izany, dia ambin’ilay fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota sy tahaka ny ambin’ny sorom-panonerana.


Avy eo dia hiakanjoan’ny mpisorona ny akanjony sy ny kalisaoniny samy vita amin’ny lamba rongony; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny sorona dorana levon’ny afo teo ambonin’ny alitara izy, ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.


Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra