Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:36 - DIEM PROTESTANTA

36 «Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Manaova koa takelaka volamena tsy miharo ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fitombo-kase hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 «Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 «Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’I JEHOVAH.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:36
22 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo.


Azo antoka tanteraka ny fepetra nataonao, TOMPO ô; ho masina lalandava koa ny tranonao.


saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy.» Ireo no teny izay hambaranao amin’ny Israelita.


Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin’ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.


Hanaovan’i Aharôna io fanamiana io rehefa manao ny raharaha maha mpisorona izy: koa rehefa hiseho eo anatrehako ao amin’ny Toeramasina izy, na hiala tao, dia ho heno ny feon’ny lakolosy kely ka tsy ho faty izy.


Dia hafatotra amin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy eo ambonin’ny satroka fehiloha, eo anoloana izy.


Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba:


Apetraho eo an-dohany ny satroka fehiloha, ary apetraho amin’ny satroka fehiloha kosa ny marika maha voatokana.


Nanenomana akanjo ivelany tamin’ny kiran-drongony koa i Aharôna sy ireo zanany lahy;


Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»


Dia nafatotra tamin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy teo ambonin’ny satroka fehiloha izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nefa ny tombombarony sy ny vola azony dia hatokana ho an’ny TOMPO. Tsy hangonina ireny na hotahirizina fa hatao sakafo hamokisana ireo mitoetra eo anatrehan’ny TOMPO, sady hividianana fitafiana mendrika ho azy.


Izao no foto-pitsipika momba ny tempoly: ny faritra manontolo eo an-tampon-tendrombohitra sy manodidina dia tena voatokana ho an’Andriamanitra. Eny, izany no foto-pitsipika momba ny tempoly.»


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


mba hamepetra ny Fiangonana israelita tsivakivolo hoe: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, ilay TOMPO Andriamanitrareo.


Napetrany teo an-dohany kosa ny lamba satro-doha; ary napetrany teo anoloan’ilay satro-doha ny takela-bolamena, marika famantarana fa voatokana ho an’ny TOMPO i Aharôna, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Amin’izany andro izany, na dia ny lakolosin-tsoavaly aza dia hisy soratra hoe: «Voatokana ho an’ny Tompo». Ny vilany tsotra ao amin’ny tempoly dia hoheverina ho masina tahaka ny tsatokaty famafazana izay eo anoloan’ny alitara.


Iezaho ny hahatsara fihavanana amin’ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.


ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra